Posted in Actualités

Tafa sy valan-dresaka nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, ny Ministry ny Fitsarana.

Tafa sy valan-dresaka nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, ny Ministry ny Fitsarana,
Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny mpanao gazety nandritra ny fitsidihana ny Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga.
🎤 Niompana tamin’ny fidinana ifotony teto Mahajanga ny resaka, fa teo ihany koa ny raharaha mafana izay nitranga
tao Alakamisy Itenina.

📺 Manasa anao hanaraka ny Horonan-tsary.

Posted in Actualités

Fitsarana Ambony Mahajanga.

📌 Fiaraha-midinika sy lao-bary an-dasy tao amin’ny Fitsarana Ambony Mahajanga no namaranan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ireo delegasiona mafonja miaraka aminy ny andron’ny Alakamisy 02 Martsa 2023. Niarahana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Fitsarana eto Mahajanga.

📝 Fampahatsiahivana indrindra indrindra ny fanajana ireo rafitra antanan-tohatra eo amin’ny samy mpiara-miasa, ary ihany koa fanomezana toro-marika ny amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ ny Fitsarana tsirairay avy.

Posted in Actualités

Fonjabe Marofoto Mahajanga.

📌 Eto Mahajanga indray no nanohizana ny fidinana ifotony ho fanomanana ny fanofakana ny Fotoam-pitsarana 2023.
Ny Fonjaben’ny Mahajanga no notsidihan’ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANTENASOA Landy Mbolatiana.

⭕ Nitondra teny fankaherezana ho an’ireo voafonja, nanazava momba ny fanalefahan-tsazy sy ny zon’izy ireo, ary indrindra nihaino ny olana sedrain’ny voafonja Ramatoa Minisitra.

⭕ Dinik’asa niarahana tamin’ireo Mpandraharahan’ny Fonja teto an-toerana no nanohizan’ny delegasiona ny fotoana maraina.