Posted in Actualités

Fidinana ifotony.

♦️Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, dia nidina ifotony tany amin’ireo faritra voadona mafy ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.
📌Fitsidihana ny Fonjaben’ny Mananjary ny 24 Febroary ary nanolorany vary, menaka, tsaramaso ary sira ho an’ireo voafonja.
Miampy ireo fitaovana informatika ho an’ny Fandraharahana ny Fonja.
📌 Tsy adino ihany koa ny nitsidika ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Mananjary izay nijerena ireo fahasimbana nateraky ny rivodoza, ary niarahana nitafa tamin’ireo tompon’andraikitra tao an-toerana na dia fotoana fohy aza no nandalovany.
📍 Ny andro androany dia nanatanteraka ny asa-tanamaro tao Ankazondrano misy ny Fonjaben’ny Fianarantsoa izay nananganana ny tamboho rava ny delegasiona.
📍Nitohy tany Ambalakely misy ny Fonja Voaaro manokana tao volamena ny dian’ny delegasiona izay notarihiny.