Posted in Actualités

Fitsarana Ambony Toliara.

📌Fotoam-pitsarana manetriketrika fanokafana ny taom-pitsarana 2023.

⭕Taorian’ny Fianarantsoa dia ny Fitsarana Ambony Toliara no nanatanterahana ny fotoam-pitsarana manetriketrika, izay famaranana ny taom-pitsarana 2022 ary fanokafana ny taom-pitsarana 2023 anio 10 Febroary 2023.

🔴Nizara roa mazava tsara ny fotoana :
1. Fanaovana ny tatitra ampahibemaso ny amin’ny asa vita nandritra ny taona 2022 teo anivon’ny Fitsarana Ambony sy ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany sivy (09) eto amin’ny faritra Toliara, ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana ary koa ny Fitsarana ara-bola.
Nivoitra tamin’izany fa nandritra ny fanaovana ny hetsika fanomezana kopia sy karam-panondro maimaimpoana dia azo lazaina fa tratra ny tanjona.
➡ Vina napetraka amin’izao moa:
– ny fanafainganana ny asam-pitsarana
– ny fametrahana ny « Standard de service »,
– fampitomboana asam-pitsarana ,
– fanatsarana ny kalitaon’ny didy avoaka,
– fanatsarana ny fifandraisana amin’ny fampiasana ny Haitao Ara-Kajy mirindra
– ny fangaharahana eo amin’ny saran’ireo ny asam-pitsarana.

🔹Mbola maro ny ezaka ho atao ho fanatsarana ny asa ary indrindra ho fampandrosoana sy fametrahana ny hasin’ny Fitsarana .
Maro ny olana sedraina kanefa tsy atao sakana izany, koa manentana ireo mpiara-miasa rehetra mba hiasa amin’ny rariny sy ny hitsiny ary hitandro hatrany ny fahamendrehana eo ampanantanterahana ny asa.

2- Fametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Morombe, R/toa ZAFIMAHAVELO Fanomezantsoa Judith.
Nandritra ny lahateniny no niantsoany ireo vahoaka mba tsy hisalasala hanantona ny Fitsarana. Fitsarana hiasa ho an’ny vahoaka ary hitandro ny tombontsoan’ny vahoaka hatrany amin’ny maha mpiasam-bahoaka azy.

⭐Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Ministera sy avy amin’ny Fitsarana Tampony izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.
🎥🎤Nandritra ny tafa tamin’ireo mpanao gazety dia nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika ny fotoana natrehana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana.