Posted in Autres Evenements

Fonjaben’ny Toliara.

📌Nandritra ny fitsidihan’ny delegasiona mafonja avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny Fonjaben’ny toliara izay notarihan’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­­, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François dia nihaino ireo olana sedrain’ireo voafonja sy ny mpandraharan’ny fonja izy, ary nitondrany vahaolana izay azo tanterahana tsara.

🔴Tsy azo lavina fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny zava-misy iainana na eo amin’ny lafiny ara-fotodrafitr’asa,­ na ara-pitaovana na arak’olona nefa dia Tena azo tsapain-tanana ny ezaka satria nahatratra ny tanjona izay napetraky ny Ministera izy ireo amin’ny salanisan’ny olona voatsara sy ny mbola miandry fitsarana.

🎥Mitondra fanazavana A/­toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety.

Posted in Actualités

Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Toliara.

Fidinana Ifotony:

📌Amin’izao fandalovan’ny delegasaona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Toliara izao, dia tonga nanao fitsidihana ny Fonjaben’ny Toliara sy nanao dinik’asa tamin’ireo Mpandraharahan’ny Fonja eto an-toerana ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky ao amin’ny Ministera sy avy eo anivon’ny Fitsarana Tampony anio maraina ny 09 Febroary 2023.

⭕Fampahafantarana sy fanazavana ho an’ ireo voafonja amin’ny zo hananany ny amin’ny fangatahana no nanombohany izany.
Manarak’izany dia nisy ny dinik’asa niarahana tamin’ireo Mpandraharahan’ny Fonja ho fanatsarana ny fomba fiasa izay nitondrana ny soso-kevitra ny amin’ny fanafainganana ny asam-pitsarana ho an’ireo voafonja.

⭕Ny folankandro indray dia dinik’asa niarahana tamin’ireo Mpitsara notarihan’Andriamato­a Minisitra tetsy andaniny, ary ireo lehiben’ny Mpirakidraharaha etsy ankilany izay notarihan’ny Tale misahana ny Mpirakidraharaha (Directeur des Greffes Judiciaires)
Nitovy ny fomba fijery ary nisongadina fa hibanjina ny hanatsarana ny asam-pitsarana amin’ny ankapobeny ny rehetra.

🔴Tsapa sy hita ary nihaiky ny mpandray anjara fa tsy ampy arak’olona sy ara-pitaovana ny Fitsarana, ka nitondra voan-dalana
ary nanolotra « imprimante » 5 isa ho an’ireo Fitsarana mila izany teto amin’ny Faritr’i Toliara A/toa Ministra.