Posted in Actualités

Fitsarana Ambony Fianarantsoa.

Fotoam-pitsarana manetriketrika fanokafana ny taom-pitsarana 2023.

Notanterahana anio 07 Febroary 2023 teto amin’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa ny fotoam-pitsarana manetriketrika namaranana ny taom-pitsarana 2022 ary nanokafana ny taom-pitsarana 2023.

⭕Nandritra izany no nanambaran’ny Tonia Mpampanoa Ambony teo anivon’ny Fitsarana Ambony ny tatitra ho tamberin’andraikitra­ amin’ny vahoaka ny asa vitan’ny Fitsarana rehetra ao amin’ny fiadidian’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa ny taona 2022.

⭕Nanohy izany ny avy eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana (Tribunal Administratif) ary koa ny
Fitsarana misahana ny kaotim-pitanana ny volam-panjakana (Tribunal Financier).

Nivoitra tamin’izany fa misahana Fitsarana Ambaratonga Voalohany 8 ary Fonja 12 ity Fitsarana Ambony ity. Ka eo amin’ny fampandehanan-drahar­aha dia niezaka hatrany izy ireo mba hahazoana valiny nahafa-po, na dia teo aza ny tsy fahampiana ara-pitaovana, sy ara-bola ary indrindra ara-olona na Mpitsara na Mpirakidraharaha izany.

Vina nampetraky ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Ambony ny fanohizana ny ezaka amin’ny fanaovana ny asa ara-potoana, amin’ny famoahana ny didy, ary koa hiasa ara-drariny sy amin’ny hitsiny ary ny fahamarinana hatrany amin’ny fanarahana ny lalàna velona.

⭐Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/­toa RABY Savatsarah izay nisolo-tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana. Tao ihany koa ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony, A/toa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, A/toa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis ary ireo mpiara-dia aminy.

Nandritra ny tafa natao tamin’ny mpanao gazety dia nanome fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Pejy an-tsary: