Posted in Autres Evenements

Fonjaben’ny Toliara.

📌Nandritra ny fitsidihan’ny delegasiona mafonja avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny Fonjaben’ny toliara izay notarihan’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­­, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François dia nihaino ireo olana sedrain’ireo voafonja sy ny mpandraharan’ny fonja izy, ary nitondrany vahaolana izay azo tanterahana tsara.

🔴Tsy azo lavina fa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny zava-misy iainana na eo amin’ny lafiny ara-fotodrafitr’asa,­ na ara-pitaovana na arak’olona nefa dia Tena azo tsapain-tanana ny ezaka satria nahatratra ny tanjona izay napetraky ny Ministera izy ireo amin’ny salanisan’ny olona voatsara sy ny mbola miandry fitsarana.

🎥Mitondra fanazavana A/­toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety.

Posted in Actualités

Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Toliara.

Fidinana Ifotony:

📌Amin’izao fandalovan’ny delegasaona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Toliara izao, dia tonga nanao fitsidihana ny Fonjaben’ny Toliara sy nanao dinik’asa tamin’ireo Mpandraharahan’ny Fonja eto an-toerana ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky ao amin’ny Ministera sy avy eo anivon’ny Fitsarana Tampony anio maraina ny 09 Febroary 2023.

⭕Fampahafantarana sy fanazavana ho an’ ireo voafonja amin’ny zo hananany ny amin’ny fangatahana no nanombohany izany.
Manarak’izany dia nisy ny dinik’asa niarahana tamin’ireo Mpandraharahan’ny Fonja ho fanatsarana ny fomba fiasa izay nitondrana ny soso-kevitra ny amin’ny fanafainganana ny asam-pitsarana ho an’ireo voafonja.

⭕Ny folankandro indray dia dinik’asa niarahana tamin’ireo Mpitsara notarihan’Andriamato­a Minisitra tetsy andaniny, ary ireo lehiben’ny Mpirakidraharaha etsy ankilany izay notarihan’ny Tale misahana ny Mpirakidraharaha (Directeur des Greffes Judiciaires)
Nitovy ny fomba fijery ary nisongadina fa hibanjina ny hanatsarana ny asam-pitsarana amin’ny ankapobeny ny rehetra.

🔴Tsapa sy hita ary nihaiky ny mpandray anjara fa tsy ampy arak’olona sy ara-pitaovana ny Fitsarana, ka nitondra voan-dalana
ary nanolotra « imprimante » 5 isa ho an’ireo Fitsarana mila izany teto amin’ny Faritr’i Toliara A/toa Ministra.

Posted in Actualités

Fitsarana Ambony Fianarantsoa.

Fotoam-pitsarana manetriketrika fanokafana ny taom-pitsarana 2023.

Notanterahana anio 07 Febroary 2023 teto amin’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa ny fotoam-pitsarana manetriketrika namaranana ny taom-pitsarana 2022 ary nanokafana ny taom-pitsarana 2023.

⭕Nandritra izany no nanambaran’ny Tonia Mpampanoa Ambony teo anivon’ny Fitsarana Ambony ny tatitra ho tamberin’andraikitra­ amin’ny vahoaka ny asa vitan’ny Fitsarana rehetra ao amin’ny fiadidian’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa ny taona 2022.

⭕Nanohy izany ny avy eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana (Tribunal Administratif) ary koa ny
Fitsarana misahana ny kaotim-pitanana ny volam-panjakana (Tribunal Financier).

Nivoitra tamin’izany fa misahana Fitsarana Ambaratonga Voalohany 8 ary Fonja 12 ity Fitsarana Ambony ity. Ka eo amin’ny fampandehanan-drahar­aha dia niezaka hatrany izy ireo mba hahazoana valiny nahafa-po, na dia teo aza ny tsy fahampiana ara-pitaovana, sy ara-bola ary indrindra ara-olona na Mpitsara na Mpirakidraharaha izany.

Vina nampetraky ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Ambony ny fanohizana ny ezaka amin’ny fanaovana ny asa ara-potoana, amin’ny famoahana ny didy, ary koa hiasa ara-drariny sy amin’ny hitsiny ary ny fahamarinana hatrany amin’ny fanarahana ny lalàna velona.

⭐Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/­toa RABY Savatsarah izay nisolo-tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana. Tao ihany koa ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony, A/toa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, A/toa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis ary ireo mpiara-dia aminy.

Nandritra ny tafa natao tamin’ny mpanao gazety dia nanome fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

Pejy an-tsary:

Posted in Actualités

Fidinana ifotony teto Fianarantsoa

📌Fanangan-tsaina teto amin’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa no nanombohan’ny delegasionina mafonja avy any amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy avy eo anivon’ny Fitsarana Tampony izay tarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, R/toa RABY Savatsarah sy ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony A/toa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson ny fidinana ifotony teto Fianarantsoa ny 06 Febroary 2023.

🔴Nitsidika sy nijery ny zava-misy hiainan’ireo voafonja sy ireo Mpandraharahan’ny fonja tao amin’ny fonjabe eto atampo-tanàna sy ny Fonjabe vaovao eny Volamena.

⭕Nofaranana tamin’ny dinik’asa niarahana tamin’ireo Mpitsara sy ireo Lehiben’ny Mpirakidraharaha ny fotoana, ho fanatsarana hatrany ny tontolon’ny asam-pitsarana.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

🇲🇬 🎼 Fananganan-tsaina teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy.

📌 Notarihin’ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fitsarana, Atoa RAKOTONIRINA Martin ; nisolo tena an’Andriamatoa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana ;niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo mpiasa teny an-toerana.