Posted in Actualités

Fananganan-tsaina sy atrik’asa.

➡ Fotoana voalohany niarahan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­ Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana nanangan-tsaina🇲🇬 tamin’ny mpiara-miasa tety amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra.
📌 Toromarika mahakasika ny asa izay miompana indrindra ny amin’ny velirano faha-3 ny fitondram-panjakana:­ ady amin’ny kolikoly sy ny Fitsarana manakaiky vahoaka no nohantitrateriny tamin’izany .
🔷ENMG
⭕Atrikasa roa sosona no nosokafan-dRamatoa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­ Ministry ny Fitsarana tamin’ny fomba ofisialy anio :
➡ Atrik’asa hanatsarana ny serasera eo anivon’ny fampanoavana amin’ny fampitàna ireo vaovao avy eny amin’ny Fitsarana izay natao tao amin’ny ENMG Tsaralalàna.
📌Manana tamberin’andraikitra­ amin’ny vahoaka ny Fitsarana ka tokony hanao fanambarana mazava sy mangaraharaha mahakasika ireo raharaham-pitsarana sy ireo didy mivoaka. Ao anatin’ny ezaka hanatrarana ny tanjona Fitsarana manakaiky vahoaka sy azo hitokisana izany. Haharitra 4 andro ny atrik’asa ary fiaraha-miasa amin’ny AFD amin’ny alalan’ny PAJMA.
➡ Atrik’asa handinihana ny fampiharana ny lalàna hiarovana ireo zava-boary eto Madagasikara, izay karakarain’ny ENMG tao amin’ny “le Pavé” Antaninarenina ho an’ireo mpitsara ao amin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny olon-tsotra (Magistrats judiciaire) niaraka tamin’ny firaha-miasa amin’ny ONG TRAFFIC, ONG Durrell Wildlife Conservation ary ny « cabinet DLA Piper » izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fitsarana ary ao anatin’ny tetikasa « LEMUR CWC » izay tohanan’ny « Bureau International des Stupéfiants et de l’Application de la Loi du Département d’Etat des Etats-Unis.
Haharitra 3 andro ny atrik’asa.

Posted in Actualités

Asa sy Vina ary Paikady.

📌 Ireo Asa sy Vina ary Paikady entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana:
1- Fanamafisana sy fanaovana vaindohan-draharaha ny ezaka amin’ny ady atao amin’ny kolikoly
– Fanaraha-maso ny fivezivezena eo anivon’ny rafi-pitsarana rehetra sy ny fonja.
– Fametrahana ny tondrozotran’ny asam-pitsarana, izay ho hampahafantarana ny vahoaka hialana amin’ny kolikoly.
– Fanamafisana ny fampiasana ny toerana fametrahana ny fitarainana.
– Fanamafisana ny traikefan’ny mpitsara.
2- Hapetraka ny paikady fanafainganana ny fitsarana ireo raharaha mahakasika ny ady tany. Eto Antananarivo no atao fitaratra hanombohana izany.
3- Fanomezana didim-pitsarana solo sora-pahaterahana ho an’ireo zaza Malagasy.
4-Fanavaozana didy aman-dalàna: fanavaozana ireo lalàna eto Madagasikara izay tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny.

Posted in Actualités

Fidinana ifotony.

♦️Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, dia nidina ifotony tany amin’ireo faritra voadona mafy ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.
📌Fitsidihana ny Fonjaben’ny Mananjary ny 24 Febroary ary nanolorany vary, menaka, tsaramaso ary sira ho an’ireo voafonja.
Miampy ireo fitaovana informatika ho an’ny Fandraharahana ny Fonja.
📌 Tsy adino ihany koa ny nitsidika ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Mananjary izay nijerena ireo fahasimbana nateraky ny rivodoza, ary niarahana nitafa tamin’ireo tompon’andraikitra tao an-toerana na dia fotoana fohy aza no nandalovany.
📍 Ny andro androany dia nanatanteraka ny asa-tanamaro tao Ankazondrano misy ny Fonjaben’ny Fianarantsoa izay nananganana ny tamboho rava ny delegasiona.
📍Nitohy tany Ambalakely misy ny Fonja Voaaro manokana tao volamena ny dian’ny delegasiona izay notarihiny.

Posted in Actualités

Fifamindram-pahefana.

🎤 Nandritra ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana
teo aloha, A/toa RAKOTOZAFY François, no nitafàny tamin’ny Mpanao gazety ka nanambaràny fa laharam-pahamehana ny fanatanterahana ny velirano fahatelon’ny Filoham-pirenena (Ady amin’ny kolikoly).

📌 Teboka vitsivitsy kosa no nifantohan’ny fanontanian’ny mpanao gazety, izay mahakasika indrindra ireo raharaha mafampana tato ho ato (Ny olan’ny Mpirakidraharaha, ny raharaha volamena… ), ary ihany koa ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana.

📺 Manasa anao ary hanaraka izany.

PEJY AN-TSARY
:

⚖Fifamindram-pahefana­ teo amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjaka­na, Ministry ny Fitsarana teo aloha, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana vaovao, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

📌Araka ny vina napetrak’i R/toa Ministra amin’izao fandraisany ny asa izao, dia hanohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny Fitsarana izy ka:
– hanamafy ny ady amin’ny kolikoly izay velirano faha-3 napetraky ny Filoham-pirenena, ary tsy handefitra mihitsy ho an’ireo izay minia manao kolikoly
– hamerina ny hasin’ny Fitsarana
– hanohy ny fanavaozana sy hanamafy ny fandraharahana ara-pitsarana
– hametraka ny Fahaleovan-tenan’ny Fitsarana
– ho Fitsarana manakaiky vahoaka ary tsy mitanila.

⭕ Nanentana ny rehetra izy mba samy handray ny andraikitra tandrify azy avy, ary hifarimbona amin’ny ezaka izay ho tratrarina. Manana tamberin’andraikitra­ amin’ny vahoaka isika hoy izy, ka ho fialofan’ny madinika sy azo hiankinana ary hitokisan’ny vahoaka ny Fitsarana.

Posted in Actualités

Fitsarana Ambony Toliara.

📌Fotoam-pitsarana manetriketrika fanokafana ny taom-pitsarana 2023.

⭕Taorian’ny Fianarantsoa dia ny Fitsarana Ambony Toliara no nanatanterahana ny fotoam-pitsarana manetriketrika, izay famaranana ny taom-pitsarana 2022 ary fanokafana ny taom-pitsarana 2023 anio 10 Febroary 2023.

🔴Nizara roa mazava tsara ny fotoana :
1. Fanaovana ny tatitra ampahibemaso ny amin’ny asa vita nandritra ny taona 2022 teo anivon’ny Fitsarana Ambony sy ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany sivy (09) eto amin’ny faritra Toliara, ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana ary koa ny Fitsarana ara-bola.
Nivoitra tamin’izany fa nandritra ny fanaovana ny hetsika fanomezana kopia sy karam-panondro maimaimpoana dia azo lazaina fa tratra ny tanjona.
➡ Vina napetraka amin’izao moa:
– ny fanafainganana ny asam-pitsarana
– ny fametrahana ny « Standard de service »,
– fampitomboana asam-pitsarana ,
– fanatsarana ny kalitaon’ny didy avoaka,
– fanatsarana ny fifandraisana amin’ny fampiasana ny Haitao Ara-Kajy mirindra
– ny fangaharahana eo amin’ny saran’ireo ny asam-pitsarana.

🔹Mbola maro ny ezaka ho atao ho fanatsarana ny asa ary indrindra ho fampandrosoana sy fametrahana ny hasin’ny Fitsarana .
Maro ny olana sedraina kanefa tsy atao sakana izany, koa manentana ireo mpiara-miasa rehetra mba hiasa amin’ny rariny sy ny hitsiny ary hitandro hatrany ny fahamendrehana eo ampanantanterahana ny asa.

2- Fametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Morombe, R/toa ZAFIMAHAVELO Fanomezantsoa Judith.
Nandritra ny lahateniny no niantsoany ireo vahoaka mba tsy hisalasala hanantona ny Fitsarana. Fitsarana hiasa ho an’ny vahoaka ary hitandro ny tombontsoan’ny vahoaka hatrany amin’ny maha mpiasam-bahoaka azy.

⭐Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Ministera sy avy amin’ny Fitsarana Tampony izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.
🎥🎤Nandritra ny tafa tamin’ireo mpanao gazety dia nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika ny fotoana natrehana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana.