Posted in Actualités

⚖️Fitsarana manetriketrika Fametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Fandravana Anio 27 Janoary 2023.

📌Notontosaina tao aorian’ny fanombohana ny taom-pitsarana 2023 teo anivon’ny Fitsarana Tampony Anosy ny Fianianana sy Fametrahana amin’ny toerana an-dR/toa SLIME Yvonne Josette Marie Viviane ho Filoha Voalohan’ny Fitsarana Fandravana ary koa nandraisana azy ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice).

Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana manetriketrika nanamarihana ny famaranana ny Taom-pitsarana 2022 sy ny fanombohan’ny Taom-pitsarana 2023.

📌Tatitry ny asa vita mahakasika ireo antonta-taratasin’ad­y voaray sy voatsara nandritra ny taona 2022 no nanombohan’ny Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis ny kabariny.
Antontan’isa azo avy amin’ireo Fitsarana manerana ny Nosy.
Nanambara ihany koa izy fa vitsy ireo Mpitsara sy Mpirakidraharaha mikirakira ireo antonta-taratasin’ad­y ka mila jerena akaiky satria efa hisy sahady ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany hisokatra tsy ho ela.

⭕️Nofaranany tamin’ny fanomezana baiko ireo Mpampanoa Ambony sy Mpampanoa lalàna ny amin’ny tokony hanomezan’izy ireo tatitra sy fangalana toro-marika avy amin’ny lehibeny ho an’ireo « Dossiers sensibles ».

✅Ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony Andriamatoa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson no nanambara ampahibemaso fa tapitra hatreo ny taom-pitsarana 2022 ary misokatra kosa ny taom-pitsarana 2023.