Posted in Autres Evenements

Atrikasa fandinihana.

🇲🇬 Atrikasa fandinihana ny fahafahan’ireo Malagasy miasa sy monina any ivelan’ny Madagasikara hifidy.

📍 Notanterahina tao amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny ny alatsinainy faha-23 janoary 2023 ny atrikasa famaranana ny fandinihina ny fahafahan’ireo Malagasy miasa sy monina ivelan’ny Madagasikara hifidy, ary nandraisan’ny Ministeran’ny Fitsarana anjara mavitrika.

📍 Nanomboka ny volana aprily 2022 ny fandinihana, izay teo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Raharaham-Bahiny, ary niarahana tamin’ny International Centre for Migration Policy Development (ICMPD) sy ny Union Européenne.

📌 Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fampandraisana anjara ireo diaspora amin’ny fifidianana izao atrikasa izao.

📌 Isan’ny nandray anjara ihany koa ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Fiadidiana ny Primatiora ary ny CENI.
🔴 Taorian’ny dinika dia hisy ny tolo-kevitra homena ireo manam-pahefana isan’ambaratongany.

Posted in Autres Evenements

Fotoam-pitsarana Manetriketrika.

⚖️ Fotoam-pitsarana Manetriketrika, fanamarihana ny fanombohan’ny Taom-pitsarana 2023 (Rentrée solennelle année judiciaire 2023).
part.01

part.02

part.03

Posted in Autres Evenements

Fotoam-pitsarana manetriketrika.

⚖️Fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ireo mpianatra ho mpitsara izay hianatra asa teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony.

📌Adiany noraisana tamin’ny taona 2021 izy ireto ary miisa 80 izay mizara ho 40 ny « filière judiciaire », 20 « filière administrative » ary 20 ny « filière financière ». Hiparitaka amin’ireo Fitsarana manerana ny Nosy ireo mpianatra ho Mpitsara hianatra asa mandritra ny 12 volana.