Posted in Autres Evenements

Fotoam-pitsarana manetriketrika.

⚖️Fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ireo mpianatra ho mpitsara izay hianatra asa teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony.

📌Adiany noraisana tamin’ny taona 2021 izy ireto ary miisa 80 izay mizara ho 40 ny « filière judiciaire », 20 « filière administrative » ary 20 ny « filière financière ». Hiparitaka amin’ireo Fitsarana manerana ny Nosy ireo mpianatra ho Mpitsara hianatra asa mandritra ny 12 volana.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina

🇲🇬⚖️Fananganan-tsaina notanterahana teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François, ary niarahany tamin’ny mpiara-miasa rehetra teto anivon’ny Ministera Foibe.

Posted in Autres Evenements

Atrikasa fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana.

📌 Atrikasa fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana Fadravana izay haharitra roa andro ao amin’ny Hotel Carlton Anosy.

⭐ Atrikasa izay notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana RABY SAVATSARAH AIN’HARIMANGA nisolo Tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­ Ministry ny Fitsarana, ny Lehiben’ny Fitsarana Tampony ary ny Mpitsara rehetra eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.

⭕ Ny PNUD sy ny USAID no Mpiara-miombon’antok­a nahafahana nanatontosa izao atrikasa izao.

Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pitantan­ana.

📌 Fifamindram-pitantan­ana teo amin’ny tale misahana ny « Direction de la Promotion de la Productivité des Camps Pénaux » teo aloha, A/toa BEGARA Etienne sy ny tale vaovao, A/toa ANDRIANOELIMANANA Ny Aina Mamy.

⭕ Fitaleavana vaovao hisahana sy hiandraikitra ny famokarana sy ireo tobim-pamokarana manerana ny Nosy.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

🇲🇬⚖ Fananganan-tsaina voalohany niarahan’ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François ary nanolorany ny fiarahabana sy ny firariantsoa ho an’ny taona vaovao 2023.