Posted in Actualités

Tafatafa fohy niarahan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana tamin’ny mpanao gazety.

⭕ Nisy ny tafatafa fohy niarahana tamin’ny mpanao gazety mahakasika ny fitokonan’ny Mpiraki-draharaha. Nanamafy hatrany ny Minisitra fa misokatra mandrakariva ny Ministera Foibe amin’ny fifampiresahana hitadiavam-bahaolana, ary indrindra raha tombontsoa mifampiankina amin’ny Ministera. Vonona hatrany ihany koa ny Ministera Foibe hanampy ary hitondra izany any amin’ny tompon’andraikitra mahefa isan’ambaratongany.

🎥 Omena anao manontolo ny fanazavana nentin’A/toa Francois RAKOTOZAFY, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌 Notanterahina teto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra ny fananganan-tsaina anio Alatsinainy faha 24 oktobra 2022, Andriamatoa Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RAKOTOZAFY François no nitarika izany.

Posted in Actualités

ENAP – Mpandraharahan’ny Fonja andiany « MIJORO ».

📌Tontosa anio 21 Oktobra 2022 ireo lanonana teto anivon’ny « Sekolim-pirenena mpampiofana ho Mpandraharahan’ny Fonja » na ENAP Antetezambaro.

➡Nanombohana izany ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny sekoly, A/toa RAZAFINTSALAMA Désiré.
Vonona mandrakariva ny tenany hitondra avo ny voninahitry ny sekoly ary indrindra hampivaotra hatrany ny fampiofanana eo anivon’ny sekoly.
Manarak’izay dia navoaka tamin’ny fomba ara-miaramila ireo mpianatra ho Mpandraharahan’ny Fonja (Agent Pénitentiaire) ka nonomezana ny galona azy ireo.
Naharitra 12 volana fiofanana ary efa vonona hiditra amin’ny sehatry ny asa. Misalotra ny anarana « MIJORO » ity andiany ity izay midika: « Mérite, Intéligence,Justice,­ Oportunité, Résponsabilité et Obéissance « . Miisa 500 izy ireo ka misokajy ho 412 ny lahy ary 88 kosa ny vavy.
Notokanan ihany koa ny takela-bato ho fahatsiarovana ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, Itompokolahy IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga izay namoy ny ainy teo amperin’asa vao tamin’ny volana jolay lasa teo .
Ary namaranana ny fotoana dia ny fitokanana ny toera-pitsaboana ao amin’ny sekoly izay misy efitra roa samihafa afaka mandray mitokana ny lahy sy ny vehivavy.

⭐Tao anatin’izany dia tonga nanontrona ny Lanonana ihany koa ny Minisitry ny angovo sy akoranafo, ary nanome Jiro ho fanazavana ny sekoly.
⭕Niarahaba manokana ny tale Jeneralin’ny Sekoly izay vao nandray ny toerany tamin’ny fomba ofisialy ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­ Ministry ny Fitsarana, A/­toa RAKOTOZAFY François ary koa nitso-drano sy nankahery ireo mpianatra izy nandritra ny fandraisam-pitenenany ary nitondra fanazavana tsotsotra mahakasika ny asa miandry azy ireo.
🎥 Indro atolotra manontolo izany.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌 Hamaranana ny lohehevitra mikasika ny didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ary dia andeha fampahatsiahivina fohy no andeha entina amintsika androany satria dia misy manafangaro foana io lohahevitra io.

⭕ Raha toa ka olona efa manana kopia (nanaovana fanambarana teo anatrehan’ny Kaominina izany ilay fahaterahany ary nomena kopia an’ilay sora-pahaterahana izy) dia tsy mila mangataka didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana intsony izy.Fa raha sanatria kosa aty aoriana ka hoe rovitra ny bokin’ilay Kaominina ka tsy hita ao ilay soratra dia fangatahana fanavaozana ilay sora-pahaterahana no ataony eny amin’ny Fitsarana. Ary amin’izay fotoana izay dia entina ilay sora-pahaterahana eny am-pelatananao efa lany daty iny mba hohavaozina.

⭕ Raha toa kosa ka nisy diso ilay sora-pahaterahana navoakan’ny Kaominina dia tsy afaka mikitika an’iny intsony izy ireo fa tsy maintsy manao fangatahana fanitsiana eny amin’ny Fitsarana ilay tompony ary atao mazava tsara hoe inona ilay diso tao anatiny tao.

⭕ Ho an’ireo izay tara ny fe-potoana fanaovana fanambarana kosa (30 andro) ka tsy nahavita izany ara-potoana ka manjary tsy nanana kopia dia ireny olona ireny no anaovana ilay fangatahana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana eny amin’ny Fitsarana.

Posted in Autres Evenements

HETSIKA FANOMEZANA SORA-PAHATERAHANA SY KARAPANONDROM-PIRENENA.

📌 Araka ny efa fantatra dia eraky ny faritra ny fanaovana ny « Hetsika fanomezana kopia sy karapanondro ho an’ny vahoaka malagasy izay tsy mbola manana izany » ka tanteraka izany tao amin’ny faritra Mahatsiatra ambony tamin’ny zoma 14 Oktobra 2022 lasa teo. Kaominina 18 tao amin’ny Distrika Ambohimahasoa no vita tanteraka izay notsinjaraina tao Camp- Robin , Ankafina Tsarafidy , Sahatona ary Ambohimahasoa. Ary tohizana any amin’ny Distrikan’ Ambalavao indray ny izany. Marihina fa misy 7 ny Distrika misy any.
Nisitraka izany koa Ny Distrikan’ Ambatolampy sy Antanifotsy ka olona miisa 683 no nahazo ny kopia sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirene­na hatreto.
Ho an’ny Distrikan’ Andramasina indray dia vinavinaina ho hatomboka ny Alatsinainy 25 oktobra 2022 ny hetsika.