Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA

📌Mitohy ny fizarana amintsika mikasika ny lohahevitra Fandraisana anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano na « Contribution aux charges du ménage » ka ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fangatahana sy ny vola fanao an-tratra na provision tandrify amin’izany no entina amintsika androany.

🔷INONA AVY IREO TARATASY ILAINA ?
👉Taratasy fangatahana alefa amin’ny Lehiben’ny Fitsarana, misy ny adiresy mazavan’ny mpangataka sy ny toriana ary mamaritra mamazava tsara ny vola angatahana,
⭕ Fanamarihana : azon’ny mpangataka atao ny mangataka amin’ny Fitsarana ny hanapahana avy hatrany amin’ny karaman’ny toriana izany vola izany
👉Ny sora-panambadiana,
👉Ny sora-pahaterahan’ny zanaka,
👉Ny taratasy fanamarinana ny vola miditra amin’ireo mpivady (ohatra : fanamarinan-karama),
👉Ny taratasy rehetra manamarina ny fandaniana ao an-tokantrano (ohatra : rosia nandoavana ny sarampianaran’ny zaza, ny sakafo…)
⭕ Tsy voafetra ho ireo ny taratasy ilaina fa mety misy hafa ihany koa izay takian’ny Fitsarana.

🔷AVANTANA AMIN’IZA ARY IREO REHETRA IREO ?
Amin’ny Lehiben’ny mpirakidraharaham-pitsarana
🔷SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA
Enina arivo sy roa alina Ariary (26.000 Ar).
Izay aloa ao amin’ny lehiben’ny mpirakidraharam-pitsarana ka manome rosia nandoavana izany.

Posted in Autres Evenements

Fanambarana, ENMG.

📌Manoloana ny vaovao izay miely mahakasika ny fifaninana hidirana ho Mpitsara ao amin’ny Sekolim-pirenena Mpanofana ho mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) etsy Tsaralalana, dia nanao fanambarana ny Tale Jeneralin’ny Sekoly, A/­toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY­ Anthony androany 25 Aogositra 2022 fa tsy marina velively izany.

⭕ Manentana ireo mpanao GAZETY hatrany izy mba hanao ny asany tsara sy ampahamendrehana ary araka ny tokony ho izy.
Mpiadina tratra nanao hosoka « fraude » nandritra ny fanadinana fifaninana natao, efa nanjanona tsy afaka manohy ny fanadinana intsony, ary mbola hisy ny fandraisana andraikitra hafa ho amin’izany.

🎥🎤 Atolotra anao ny fanambarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny ENMG, A/­toa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY­ Anthony.

Posted in Actualités

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌Tonga nanatanteraka fitsidiana ara-pomba fanajana teto amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra anio 25 Aogositra 2022 ny Masoivohon’ ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara, SEM GUO Xiaomei.

✅Fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana ho an’ireo sinoa miaina eto Madagasikara ary koa ho an’ireo gasy miaina any Sina no tena Anton-dia, ary izany dia ao anatin’ny fanajana ny lalàna velona amin’ny firenena roa tonta. Hisy ny fivoriana izay ho tontosaina miaraka amin’ny Minisitra hafa momba ity resaka ity.

🎥 🎤 Atolotra anao ny fanazavàna entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masoivohon’ ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina eto Madagasikara, SEM GUO Xiaomei.

Posted in Actualités

FITOKANANA LAPAM-PITSARANA.

📌Maro ireo fotodrafitr’asa izay notokanan’ny Filoham-pirenena, A/toa Andry RAJOELINA teto amin’ny Nosy Boraha (Sainte Marie) anio 20 Aogositra 2022, ary anisan’izany ny Lapan’ny Fitsarana.

➡ Ao anatin’ny fanamby napetraky ny fitondram-panjakana sy velirano nataon’ny Filoham-pirenena ny fametrahana Fitsarana manakaiky vahoaka, ka izany indrindra no nanaovana ity Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Sainte Marie ity.

⭕ Efa ela no niandrandran’ny vahoaka ny fametrahana Fitsarana ka nivaly izany ankehitriny. Tsy misahirana miampita ranomasina intsony ny vahoaka raha misy ny raharaham-pitsarana mandeha sy fikarakarana taratasy ara-pitsarana ilaina.

✅Zava-dehibe izao nahavitana fotodrafitr’asa tsara sy manara-penitra izao hoy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François.

🎤Atolotra anao ny lahatenin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François nandritra ny fitokanana ny Lapan’ny Fitsarana Sainte Marie.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray no entina amintsika manomboka amin’ity herinandro ity. Raha nijery ny mahakasika ny solon-tsakafo na « Pension alimentaire » isika nandritry ny herinandro maromaro dia nisy ny nametra-panontaniana hoe manahoana indray raha toa ka mpivady ara-dalàna tsy misara-panambadiana kanefa tsy mety mamelona ny ankohonana ilay vady.
➡ Amin’izay fotoana izay dia mila mangataka eo anatrehan’ny Fitsarana ny atao hoe Fandraisana anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano na « Contribution aux charges du ménage » ny ankilany ka izany no lohahevitra vaovao entina amintsika mandritry ny herinandro vitsivitsy.

🔷IZA NO TOKONY HANDRAY ANJARA AMIN’NY FANDANIANA AO AN-TOKANTRANO ?
👉 Ny mpivady dia tsy maintsy miara-mandray anjara amin’ny fandaniana ao an-tokantrano ;
👉 Koa raha tsy manao ny adidiny ny iray amin’izy ireo, dia azon’ny andaniny atao ny mangataka ny Fitsarana handidy ny handoavan’ny ankilany ny anjarany ara-bola hikarakarana ny tokantrano sy ny fianaran’ny zanak’izy ireo ;

🔷INONA NO FEPETRA TAKIAN’NY LALANA AHAFAHANA MANGATAKA IZANY ?
Tsy maintsy mpivady vita soratra ara-panjakana ary tsy mbola an-dàlam-pisaraham-panambadiana.

🔷IZA NO FITSARANA MAHEFA HANDRAY NY FANGATAHANA ?
Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Fitsarana mikasika ny ady madio) ao amin’ ny toeram-ponenan’ny mpivady.