Posted in Autres Evenements

FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA TAO AMIN’NY FARITRA ITASY.

⚖️ FIDINANANA IFOTONY FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA TAO AMIN’NY FARITRA ITASY.

📌 Tontosa tao Miarinarivo ny 22 sy 23 jona 2022 sy tao Arivonimamo ny 24 jona 2022 lasa teo ny fanapariahana lalàna sy paik’ady ara-pitsarana notanterahin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives) ho fanatanterahana ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana hoe « Fitsarana manakaiky vahoaka ».
Tetik’asa izay notohanan’ny PAJMA.

🔷 Anisan’ny nisitraka izany ireo Ben’ny tanàna sy ny lefiny, ireo lehiben’ny boriborintany sy ireo mpitantsoratry ny sora-piankohonana ao amin’ireo Kaominina miisa 53 mandrafitra ireo Distrika 3 (Soavinandriana, Miarinarivo ary Arivonimamo) ao anatin’ny Faritra Itasy, fa indrindraindrindra ireo mponin’i Miarinarivo sy Arivonimamo.

➡ Ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mikasika ny fiankohonana, ny lalàna laharana vaovao laharana 2019-008 tamin’ny 16 janoary 2020 momba ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy, ny manodidina ny fandovana sy ny fananan-tany ary ny paik’ady arahina eo anatrehan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana no anisan’ny lohahevitra novelabelarina tamin’izany.
Tanjona amin’izany rehetra izany moa dia ny hahalalan’ny vahoaka ireo lalàna vaovao eto amin’ny tany sy ny Firenena fa indrindra ihany koa ny hahafantaran’izy ireo ny mikasika ny paik’ady eny anivon’ny Fitsarana mba tsy hahatompotrano mihono an’ireo izay manandraharaha.

⭕ Mitohy ny ezaka izay ataon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy ny Fanavaozana Lalàna (DERL) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ka toerana maro samihafa no mbola hisitraka izany fidinana ifotony izany amin’ity taona ity.

Posted in Autres Evenements

Fifamindram-pahefana.

📸 Pejy an-tsary 23 Jona 2022.

🔱 Fifamindram-pahefana.

⭕ Notanterahina androany maraina teto amin’ny foiben’ny BCCJEP Ankorahotra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Talen’ny Fitsirihina ny Fandraharahana ny Fonja na “Directeur de l’Inspection Pénitentiaire” (DIP) teo aloha , A/toa IRAMANJAFINIMALO RAFALY Omega sy ny Tale vaovao, A/toa ANDRIANASOLO Haja Lalaina Elià, “Inspetceur d’Administration Pénitentiaire”.

Posted in Autres Evenements

Sosialin’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Fitsarana Foibe.

📸 Pejy an-tsary 22 Jona 2022.

⭕ Ho fanamarihana ny fitsanganana ara-panjakana ny Sosialin’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Fitsarana Foibe (SMM2F) dia tonga nanatitra ankanjo ho an’ireo voafonja teny @Fonjaben’Antanimora­ ny solontenan’ny mpikambana mba ho fanampiana an’ireo voafonja amin’izao ankatokin’ny fetim-pirenena izao.

Posted in Actualités

FANANGANAN-TSAINA.

📸 Pejy an-tsary 20 Jona 2022.

🇲🇬 FANANGANAN-TSAINA TETO AMIN’NY MINISTERAN’NY FITSARANA.

📌 Amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao dia nanentana ny besinimaro ny Sekretera Jeneraly, R/­toa RABY Savatsarah nandritra ny fandraisany fitenenana fa ilaina ny fananganana ny sainam-pirenena isaky ny tokantrano ho mariky ny fiandrianam-pirenena sy fiarahana mankalaza ny faha-62 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovan-tenan’ny Madagasikara.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Ho tohin’ny fifampizarana mikasika ny lohahevitra : FIAHIANA NY ZAZA na « TUTELLE » dia indro entina amintsika indray ny mahakasika ny fanendrena ny mpiahy na « tuteur » sy ny andraikitra miandry azy.

🔷 AHOANA NY FANENDRENA NY MPIAHY na TUTEUR ?
👉 Amin’ny alalan’ny didim-pananana (testament) na fanambarana natao teo anatrehan’ny notera izay nataon’izay maty farany tamin’ny ray na ny reny na ihany koa ny reny ho an’ny fianakaviana tsy misy ray,
👉 Amin’ny alalan’ny filan-kevitry ny fianakaviana izay fidian’ny Fitsarana (paikady ara-pitsarana)
Azon’ny olon-drehetra atao ny mampilaza amin’ny Filohan’ny Fitsarana ny amin’ny ilàna fanendrena mpiahy.

🔷 FITSARANA MAHEFA :
Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao amin’ny toeram-ponenan’ny zaza.

🔷ANDRAIKITRY NY MPIAHY :
👉 Miandraikitra ny tenan’ilay zaza,
👉 Misolotena azy ara-panjakana,
👉 Mitantana ny fananany toy ny raim-pianakaviana mendrika ary tomponandraikitra amin’izany fitantanana izany,
👉 Tsy mahazo mandefa maimaimpoana ny fananana manokan’ilay zaza na milatsaka ho mpividy ny fananany,
👉 Tsy mahazo mivarotra ny fanana-mitoetran’ilay zaza na « biens immobiliers » raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
👉 Maimaimpoana ny fiahiana ary voatokana ho an’izay voatendry ihany fa tsy azony afindra amin’ny vadiny na ny mpandova azy.

Ny Sampandraharahan’ny Fanapariahana Lalàna eo anivon’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihina sy Fanavaozana Lalàna.