Posted in Actualités

FITSIDIANA ARA-POMBA FANAJANA.

⚖ FITSIDIANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌Fitantanam-bola madio no ilaina. Izay no tena votoatin’ny resaka nifanaovan’ireo solontena mpamita iraka avy ao amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na “Fond Monaitaire Internationale” (FMI) izay nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra anio hariva 30 Mey 2022.

➡️Anisan’ireo mpanohana ara-bola amin’ny sehatra maro samihafa ny FMI eto Madagasikara, ary nasongadina nandritra ny fitsidihana ny hanamafisana ny fitantanam-bola araka ny tokony ho izy ,sy ny ady amin’ny kolikoly.

💡Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny « Chef de mission du FMI Madagascar » , A/toa Frédéric Lambert.

Posted in Actualités

Fananganantsaina natao teny Antanimora.

📸 Pejy an-tsary 30 Mey 2022.

🇲🇬 ⚖️ Fananganantsaina natao teny Antanimora.

Toy ny isakin’ny Alatsinainy faran’ny volana, dia teto amin’ny Fonjamben’Antanimora­ no nanatontosana ny fananganantsaina, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François.