Posted in Actualités

Fihaonan’ny Ministry ny Fitsarana tamin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitsarana Miady amin’ny Kolikoly Mahajanga.

📸 Pejy an-tsary 27 Mey 2022.

👉 Fihaonan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, tamin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitsarana Miady amin’ny Kolikoly “Pole Anti-Corruption” (PAC) eto Mahajanga. Nohamafisiny tamin’izany ny fanatsarana ny fomba fiasa.

Posted in Actualités

FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA FAMETRAHANA NY TONIA MPAMPANOA LALANA ETO MAHAJANGA.

⚖️ FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA FAMETRAHANA NY TONIA MPAMPANOA LALANA ETO MAHAJANGA.

📌 Haingam-mpiasa, manaja ny zon’olombelona , miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary Fitsarana atokisana sy akaikin’ny vahoaka no tanjona hoy ny Tonia Mpampanoa Lalàna (Procureur de la République) vao napetraka teto amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Mahajanga anio 27 Mey 2022, A/toa IMBIKI Cléridès.

✅ Vonona hiatrika ny asa ary efa za-draharaha raha ny tenany satria efa Tonia mpampanoa lalàna tao Antsiranana ny Tenany. Nahavita nahatratra ny tanjona napetraky ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny fanenjehana ny raharaham-pitsarana (ratio condamné/prévenu) ho 70/30.
💡Atolotra anao ny sombin’ny lahatenin’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, A/toa IMBIKI Cléridès.

Posted in Actualités

Fametrahana galona ho an’ireo Mpandraharahan’ny Fonja.

📸 Pejy an-tsary 27 Mey 2022

👉 Fametrahana galona ho an’ireo Mpandraharahan’ny Fonja miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Boeny : « 1 Contrôleur d’Administration Pénitentiaire, 4 Greffiers Comptable, 14 Agents Pénitentiaire » izay natrehan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ireo delegasionina mpiara-miasa aminy.