Posted in Autres Evenements

FIOFANANA FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO

FIOFANANA FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO.

📌 Natomboka ny 17 may 2022 teto Fianarantsoa ny fiofanana mitohy ho an’ny « Inspecteurs de l’Administration Pénitentiaire » (IAP). Ny tanjona amin’izany fiofanana izany dia ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo eo amin’ny asany. Haharitra efatra (04) andro ny fiofanana dia ny 17, 18, 19 ary 20 mai 2022.

✅ Misy loha-hevitra roa lehibe ho dinihina dia ny :
➡ Fanaraha-maso ny fitanana am-ponja. (contrôle de la détention)
➡ Drafitra maty paika hiatrehana ny voina ho an’ny Fonja. (Plan Opérationnel d’Intervention d’un Etablissement Pénitentiaire)

🔱 Ny mpandray anjara amin’izany fiofanana izany dia ny « Inspecteurs de l’Administration Pénitentiaire » miasa eo anivon’ny Foiben’ny Fandraharahana ny Fonja Antananarivo sy ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra amin’ny tapany atsimon’ny Nosy dia Menabe, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Antsinanana, Ihorombe, Atsimo Andrefana, Androy ary Anôsy.

⭐ Izao fiofanana izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Projet d’Appui à la Justice à Madagascar (PAJMA) izay vatsian’ny Agence Française de Développement (AFD) ara-bola. Izany fiaraha-miasa izany dia miompana indrindra amin’ny fanohanana ny Fandraharahana ny Fonja amin’ny andraikitra :
➡ Fanamafisana ny fandriam-pahaleman’ny fonja. (sécurisation des Etablissements pénitentiaires)
➡ Fanajana ny zo maha-olona eo anivon’ny fonja. (humanisation de la détention)

✅ Ny Fitaleavana Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja sy ny ekipan’ ny PAJMA no nanomana sy nanatontosa izao fiofanana izao.