Jour : 17 mai 2022
FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHON’NY NOSY MAORISY.
🇲🇺 ⚖ FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHON’NY NOSY MAORISY
✅Anio 17 Mey 2022 dia tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy R/toa Marie Noëlle Françoise LABELLE.
📌Vao voalohany izao no nihaona tamin’ny Minisitry ny Fitsarana ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy ka niarahaba sy niresaka momba ny fiaraha-miasa. Nanamafy ny fifandraisana sy ny fifanarahana ara-pitsarana amin’ny Nosy Maorisy sy Madagasikara no isan’ny votoatin-dresaka. Teo ihany koa ny resaka ara-barotra izay nanambarany fa mendrika ny ho mpanondrana ireo vokatra ho an’ny Ranomasimbe Indiana i Madahasikara.
💡Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy R/toa Marie Noëlle Françoise LABELLE.
➡️ ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy R/toa Marie Noëlle Françoise LABELLE (Pejy an-tsary).








FITSIDIANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY NY MPANDRINDRA NY RAFITRY NY FIRENENA MIKAMBANA.
🇺🇳 ⚖ FITSIDIANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY NY MPANDRINDRA NY RAFITRY NY FIRENENA MIKAMBANA.
✅ Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, SEM Issa SANOGO teto Faravohitra anio 17 Mey 2022.
📌 Izany fitsidihana izany dia niompana tamin’ny resaka fiarahabana ary indrindra ny fanohizana ny firaha-miasa. Ny firenena mikambana moa dia miasa amin’ny fanampiana ny governemanta mba hanatrarana ireo tanjona maromaro, isan’izany:
– ny ady amin’ny kolikoly, – – ny fanomanana ny fifidianana …
💡 Atolotra anao ny resaka nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, SEM Issa SANOGO tamin’ireo mpanao gazety.
➡️ ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, SEM Issa SANOGO.











