Posted in Autres Evenements

Fanambarana am-pahibemaso nataon’ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa.

⚖️ FANAMBARANA AM-PAHIBEMASO NATAON’NY FITSARANA ARA-BOLA FIANARANTSOA
➡️ Ny Andininy faha-15 ao amin’ny Fanambarana ampahibemaso ny Zon’Olombelona t@ taona 1789 dia milaza fa: “Ny Fiaraha-monina dia manan-jo hahafantatra izay nampiasana ny volany eo anivon’ny fiainam-pirenena”.

📌 Ho fanatanterahana ny Politikan’ny Fanjakana foibe amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny “FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA” dia nidina ifotony tao Manakara, Faritra Fitovinagny, ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa (Tribunal Financier de Fianarantsoa) nanatontosa ny fampahafantarana ny tatitra am-pahabemaso 2021 mahakasika ny fanaraha-maso nataon’ny Fitsarana momba ny kaonty (Cour des Comptes). Izany dia notanterahana ny 28 aprily 2022 tao amin’ny « Hotel Les Délices ».

✅ Nasongadina nandritra izany tatitra izany ireto teboka manaraka ireto :

⭐ Ny tatitra ampahibemaso 2021 an’ny Fitsarana momba ny kaonty :
🔷 Ny fanaraha-maso ny vola miditra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany mankany amin’ny vondrom-bahoakam-paritra ;

🔷 Ny andraikitra tan-tsoroka :
👉 Fanaraha-maso ny « Projet d’Appui à la Compétitivité Economique (PACE) » ;
👉 Fanaraha-maso ny fitsirihana ara-kaonty sy ara-bola ny « Projet d’Aménagement du Corridor et de facilitation du commerce (PACFC) » ;
👉 Fanaraha-maso ny asa fanamarinana ireo tondron’ny « Projet d’Appui de Performance du Secteur Public (PAPSP) » ;
👉 Fanomezana tolo-kevitra ny fahefam-panjakana ;
👉 Fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tolo-kevitra mahakasika ny AUGURE ;

⭐ Tatitry ny asa nataon’ny Fitsarana ara-bola Fianarantsoa ;
⭐ Fampahafatarana ny andraikitry ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ara-bola.

Ankasitrahana ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola nahafahana nanao ny tatitra tany ifotony, dia ny « INTOSAI Developpement Initiative » na IDI izay vatsian’ny Vahoaka Amerikana @ alalan’ny Fandaharan’Asa USAID.

Posted in Autres Evenements

Fivorian’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Fandraharahana ny Fonja.

📸 Pejy an-tsary 06 Mey 2022.

⚖️ Nontontosaina ny 05 sy 06 Mey 2022 ny Fivorian’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Fandraharahana ny Fonja (Conseil Supérieur de l’Administration Pénitentiaire na CSAP) tao amin’ny tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Notarihan’ny filoha lefitra, ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja Andriamatoa RAFALY Omega Iramanjafinimalo ny fotoana.

📌 Fotoana hahafahan’ireo mpikambana ao anatiny mandinika ny fivoaran’ny asan’ny mpandraharaha ny fonja eraky ny Madagasikara; ao ihany koa no hijerevena akaiky ireo fanatsarana tokony hoentina amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja.