Posted in Actualités

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHON’NY NOSY MAORISY.

🇲🇺 ⚖ FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHON’NY NOSY MAORISY

✅Anio 17 Mey 2022 dia tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy R/toa Marie Noëlle Françoise LABELLE.

📌Vao voalohany izao no nihaona tamin’ny Minisitry ny Fitsarana ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy ka niarahaba sy niresaka momba ny fiaraha-miasa. Nanamafy ny fifandraisana sy ny fifanarahana ara-pitsarana amin’ny Nosy Maorisy sy Madagasikara no isan’ny votoatin-dresaka. Teo ihany koa ny resaka ara-barotra izay nanambarany fa mendrika ny ho mpanondrana ireo vokatra ho an’ny Ranomasimbe Indiana i Madahasikara.

💡Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy R/toa Marie Noëlle Françoise LABELLE.

➡️ ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy R/toa Marie Noëlle Françoise LABELLE (Pejy an-tsary).

Posted in Actualités

FITSIDIANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY NY MPANDRINDRA NY RAFITRY NY FIRENENA MIKAMBANA.

🇺🇳 ⚖ FITSIDIANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY NY MPANDRINDRA NY RAFITRY NY FIRENENA MIKAMBANA.

✅ Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, SEM Issa SANOGO teto Faravohitra anio 17 Mey 2022.

📌 Izany fitsidihana izany dia niompana tamin’ny resaka fiarahabana ary indrindra ny fanohizana ny firaha-miasa. Ny firenena mikambana moa dia miasa amin’ny fanampiana ny governemanta mba hanatrarana ireo tanjona maromaro, isan’izany:
– ny ady amin’ny kolikoly, – – ny fanomanana ny fifidianana …

💡 Atolotra anao ny resaka nifanaovan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, SEM Issa SANOGO tamin’ireo mpanao gazety.

➡️ ny Mpandrindra ny Rafitry ny Firenena Mikambana, SEM Issa SANOGO.

Posted in Actualités

Fananganantsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

📸 Pejy an-tsary 16 Mey 2022
🇲🇬 ⚖️ Fananganantsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra izay notarihan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François.

Posted in Actualités

Lanonana fisaorana sy fankasitrahana.

📸 Pejy an-tsary 13 Mey 2022.

⚖️ Lanonana fisaorana sy fankasitrahana an’i A/toa RAJAONA Andriamanakiandrianana, Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony (PPCS) sy i R/toa RALAIVELO Marie Noëline , Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Fandravana (Cour de Cassation) izay handeha hisotro ronono.
Nitarika sy nanome voninahitra ny fotoana i A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana.

Posted in Actualités

Atrikasa fanavaozana ny rejistrin’ny antoka ho lasa ara-kajimirindra eto Madagasikara.

📸 Pejy an-tsary 12 Mey 2022.

⚖️ Atrikasa fanavaozana ny rejistrin’ny antoka ho lasa ara-kajimirindra eto Madagasikara.

📌 Ilaina ny manaraka ny toetr’andro, efa mivoatra ny zava-drehetra ka izany no nanantontosana ny atrikasa anio 12 Mey 2022 tao amin’ny NOVOTEL izay mikasika ny Fanavaozana ny Rejistrin’ny Antoka amin’ny fampindramam-bola ho lasa ara-kajimirindra eto Madagasikara izay nokarakarain’ny Ministeran’ny fitsarana miaraka amin’ny firaha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny Banky foiben’i Madagasikara ary ny Ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.

➡️ Tanjona ny hananan’ny Firenena rafitra ara-pitantanam-bola sy ara-pitsarana mahomby eo hanatrehan’ny lafiny ekonomika.

💡 Atolotra anao ny fanazavana entin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Mpitsara tompon’andraikitra eo anivon’ny Foibem-pitondrana ny raharaham-pitsarana, A/toa RAKOTOMALALA Mamy Njatoson.