Posted in Autres Evenements

Fampiofanana ireo mpampiofana teo anivon’ny fandraharahana ny Fonja.

⚖️ Fandraharahanan’ny Fonja

✅ Ny 29 aprily 2022 no nifarana tao amin’ny ENAP (Ecole Nationale d’Administration Pénitentaire) France ny fiofanana ho mpampiofana izay nandraisan’ ireo mpampiofana miisa 5 avy aty amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.

➡️ Naharitra 10 andro izany fiofanana izany raha toa ka nanomboka ny 19 aprily 2022 lasa teo. Nifantoka tanteraka tamin’ ny lafiny fampiofanana izany fiofanana izany ( formation des formateurs ) ary namatsy ara-bola izany ny  » Agence Française de Développement « tamin’ ny alalan’ ny tetikasa PAJMA (Projet d’Appui à la Justice à Madagascar ».

⭐ Antenaina fa hanamafy ny fahalalàna sy ny fahaiza-manaon’ izy ireo izany ka hanatsara sy hampivoatra hatrany ary hifanaraka amin’ny vanin’andro ankehitriny ny fampiofanana ao amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.

👉 Anio 30 aprily 2022 izy ireo no hitodi-doha hiverina eto an- tanindrazana. Tolorana fisaorana noho izany ny « Agence Française de Développement » na AFD, ny PAJMA ary ny ENAP France noho ny fanohanan’ izy ireo tsy tapaka ny ENAP Madagascar.

📌 Marihina fa efa eo am-pamolavolana ny fifanaraham-piaraha-miasa (convention de jumelage ) ankehitriny ny tompon’ andraikitra eo anivon’ny ENAP FRANCE sy ny ENAP MADAGASCAR. Tanjona dia ny fanatsarana hatrany ny fitantanana sy ny fampiofanana ao amin’ny ENAP Antetezambaro Madagascar.