Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📸 Pejy an-tsary 26 Aprily 2022

⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📌 Tonga nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra :

➡️ Ny Masoivohon’ny Japana, A/toa HIGUCHI Yoshihiro
➡️ Ary ny Solontena manokana an’ny Vondrona Afrikanina, SEM HAWA Ahmed Youssouf.

📌 Nanamarika ny andro anio 26 Aprily 2022 ny fitsidihana ara-pomba fanajana roa sosona teto Faravohitra avy amin’ny Masoivohon’ny Japana sy ny avy ao amin’ny Vondrona Afrikanina.

✅ Fiarahabana amin’ny nahavoatendry ny Minisitra ary niompana ihany koa ny amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ao anatin’izany ohatra ny fanatsarana ny fifidianana ho avy.

💡 Atolotra anao manontolo ny resaka nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masoivohon’ny Japana, A/toa HIGUCHI Yoshihiro ary ny Solontena manokana an’ny Vondrona Afrikanina, SEM Hawa Ahmed YOUSSOUF tamin’ireo mpanao gazety.

Posted in Autres Evenements

Fanampiana ho an’ny fonjaben’ny Tsiafahy

⚖️ FANAMPIANA HO AN’NY FONJABEN’NY TSIAFAHY.

📌 Tonga nanatitra fanomezana ho an’ ny Fonjaben’ny Tsiafahy ny fikambanana “HASENE (TURC) sy MADRASSAH Ankadivato » androany 26 Aprily 2022 ho famaliana ny fangatahana natao. Fanampiana mba hanamaivanana ny vesatra mianjady ny fikarakarana ireo voafonja sy hanampiana amin’ny fitaovana hoenti-miasa no anton’izao.

➡️ Ireto avy no tolotra tamin’izany:
👉 Extincteur 01
👉 Haut-parleur 02
👉 Chaise fauteuil pour salle d’attente 01
👉 Loko (bid 30kg) 05
👉 Radio talky walky 04
👉 Vary (gony 50kg) 12
👉 Tsaramaso (gony 50kg) 01
👉 Tafo (3m) 20
👉 Ampoules LED Solaire rechargeable 120
👉 Arrosoires 08

⭐ Ny nandray an’ireo fanomezana tamin’ny anaran’ny Ministeran’ny Fitsarana moa dia ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fonjaben’ny Tsiafahy.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana

⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana

📌Nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanajana an’ Atoa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropena, SEM Giovanni di Girolamo anio 25 Aprily 2022 teto @ biraon’ny Minisitra teto Faravohitra.

🔺 Tonga niarahaba ny nahavoatendry ny Minisitra izy sy nanamarika ary nanamafy ny fitohizan’ny fiara-miasa.
Ny Fitsarana ho an’ny Daholobe « projet NFD » moa no hanohanan’izy ireo ny Minisiteran’ ny Fitsarana amin’ny fanatsarana ny fampitaovana hoenti-miasa eny anivon’ny Lapan’ny Fitsarana .

💡Mitondra fanazavana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masohivohon’ny Vondrona Eropeanina, SEM Giovanni di Girolamo Monina sy miasa eto Madagasikara.