Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA (tohiny)

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION DES ACTES D’ETAT CIVIL)(tohiny)

📌Ho faranana amin’ity androany ity ny mahakasika ny fanavaozana ny sora-piankohonana.

➡️ IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
👉Taratasy fangatahana alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
👉Taratasy fanamarinana ara-panjakana omen’ny Kaominina manamarina ny maha-rovitra na may na very ny rejisitra (certificat de recherches infructueuses),
👉Sora-piankohonana ho avaozina (izay eo am-pelatanan’ny mpangataka na dia efa lany daty aza),
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2,
👉Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka (certificat de résidence).

➡️ NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA
👉Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpiraki-draharaham-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady rehetra voalaza teo ambony ireo,
👉Ny mpangataka na izay misolo tena azy (raha toa ka tsy ampy taona izy) dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona,
👉Afaka mandray izay fepetra rehetra hitany fa ilaina amin’ny famotorana izay ataony ny fitsarana toy ny fanaovana fanadihadiana, fametrahana peta-drindrina…
👉Ny porofo rehetra tonga eo am-pelatanany no hitsaran’ny Fitsarana,
👉Izay olona rehetra manamarina ny fisian’ny tombontsoany avy amin’ilay fangatahana fanavaozana ihany koa dia afaka mangataka hitsofoka amin’ilay raharaha ary mitondra izay rehetra porofo eo am-pelatanany.

➡️ AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA
👉Entina any amin’ny Kaominina izay nitahiry ilay rejisitra ilay didim-pitsarana raikitra (grosse),
👉Soratana ao amin’ny rejisitra voatondro ny ventin’ilay didy,
👉Afaka mamoaka ilay sora-piankohonana vita fanavaozana amin’izay avy eo ilay Kaominina.

⭐ Hanomboka lohahevitra vaovao indray isika amin’ny heriny anio dia ny mikasika ny atao hoe olona tsy hita intsony eo amin’ny toeram-ponenany na «absent» sy ny olona tsy hita popoka na «porté disparu» satria dia voafaritry ny lalàna avokoa izany tranga izany.