Posted in Actualités

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY SOLOTENAN’NY UNICEF.

⚖️ FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY SOLOTENAN’NY UNICEF.
👉 Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny solontenan’ny UNICEF eto Madagasikara, A/toa Jean Francois Basse.

📌Ny tanora dia tokony hanana ny hoaviny ka ilaina ny mitaiza sy manabe azy ireny mba handehanany amin’ny làlana mahitsy. Izany no isan’ny antony nitsidihan’ny solotenan’ny UNICEF an’ny Ministry ny Fitsarana anio 05 Aprily 2022 teto Faravohitra.
✅ Ny UNICEF dia miara-miasa amin’ny Fitsarana ary mifantoka tanteraka ny amin’ny fikarakarana ireo ankizy sy Tanora tsy ampy taona voafonja. Izany no natao dia mba hanatsaràna ny fomba fiainan’izy ireo eo anivon’ny toerana manokana hitaizana azy ireo.
💡 Atolotra manontolo anao ny resaka nataon’i A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana sy ny solotenan’ny UNICEF, A/toa Jean Francois Basse arahan’ireo fanontaniana nanitikitika an’ireo mpanao gazety.

Posted in Actualités

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY MASOIVOHO SOISA

⚖️Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivohon’ny Soisa, SEM Chasper SAROTT.

📌 Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François ny Masoivohon’ny firenena Soisa, SEM Chasper SAROTT anio 05 Aprily 2022 teto Faravohitra.
🇨🇭 🇲🇬 Nanamafy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ny firenena Soisa amin’ny fanjakana Malagasy ny Masoivoho Soisa.
💡Toy izao ny resaka nataon’i A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana arahin’i SEM Chasper SAROTT tamin’ireo mpanao gazety.

Posted in Autres Evenements

Fampiofanana ireo mpampiofana amin’ny resaka zon’olombelona niarahan’ireo Tafika Malagasy

📸Pejy an-tsary anio 05 Aprily 2022

👉 Fampiofanana ireo mpampiofana amin’ny resaka zon’olombelona niarahan’ireo Tafika Malagasy, Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena ary ny Mpandraharahan’ny Fonja izay notarihan’ny Firenena Mikambana

Posted in Actualités

Fivoriana fikaonan-doha mikasika ny fanantanterahana ny didim-pitsarana eto Madagasikara

⚖️ Fivoriana fikaonan-doha mikasika ny fanantanterahana ny didim-pitsarana eto Madagasikara

📌 Maro ny didim-pitsarana izay tsy tanteraka ka lasa tsy afa-manoatra ireo mpitory fa lasa taratasy tsy misy fiantraikany ny didim-pitsarana. Ka nivory, nikaon-doha ireo tompon’andraikitra isany eo amin’ny fitsarana tetsy amin’ny Fitsarana Tampony Anosy anio 05 Martsa 2022 mba hitadiavana hevitra sy hijerena akaiky ny fanatanterahana ny didim-pitsarana.
➡️ Ny tombontsoa tadiavina dia ny ahazoana didy marina sy rariny amin’ny alalan’ny fampiharana ny lalàna misy sy ny foto-kevitra fototra hiorenan’ny tany tan-dalàna.
⭐ Tsiahivina fa amin’ny ady heloka, ny didim-pitsarana dia valin’ny fangatahana nataon’olona nitory izay nihara-boina. Amin’ny Ady madio kosa dia valin’ny fitakiana nataon’olona izay manana tombontsoa voatohitohina.

🔺 Manana anjara lehibe eo @ filaminan’ny fiaraha-monina ny fitsarana ka rariny sy hitsiny raha natao izao fikaonan-doha izao.