Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANITSIANA NY SORA-PIANKOHONANA (tohiny)

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION DES ACTES D’ETAT CIVIL)(tohiny)

📌Ho faranana amin’ity androany ity ny mahakasika ny fanavaozana ny sora-piankohonana.

➡️ IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA :
👉Taratasy fangatahana alefa amin’ny Filohan’ny Fitsarana,
👉Taratasy fanamarinana ara-panjakana omen’ny Kaominina manamarina ny maha-rovitra na may na very ny rejisitra (certificat de recherches infructueuses),
👉Sora-piankohonana ho avaozina (izay eo am-pelatanan’ny mpangataka na dia efa lany daty aza),
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny mpangataka,
👉Ny dika mitovin’ny karapanondron’ny vavolombelona 2,
👉Fanamarinam-ponenan’ny mpangataka (certificat de résidence).

➡️ NY PAIK’ADY ARAHINA SY NY FOTOAM-PITSARANA
👉Ampidirina eny amin’ny lehiben’ny mpiraki-draharaham-pitsarana ireo antontan-taratasin’ady rehetra voalaza teo ambony ireo,
👉Ny mpangataka na izay misolo tena azy (raha toa ka tsy ampy taona izy) dia tsy maintsy miseho eo anoloan’ny fitsarana miaraka amin’ny vavolombelona roa feno 21 taona,
👉Afaka mandray izay fepetra rehetra hitany fa ilaina amin’ny famotorana izay ataony ny fitsarana toy ny fanaovana fanadihadiana, fametrahana peta-drindrina…
👉Ny porofo rehetra tonga eo am-pelatanany no hitsaran’ny Fitsarana,
👉Izay olona rehetra manamarina ny fisian’ny tombontsoany avy amin’ilay fangatahana fanavaozana ihany koa dia afaka mangataka hitsofoka amin’ilay raharaha ary mitondra izay rehetra porofo eo am-pelatanany.

➡️ AORIAN’NY FOTOAM-PITSARANA
👉Entina any amin’ny Kaominina izay nitahiry ilay rejisitra ilay didim-pitsarana raikitra (grosse),
👉Soratana ao amin’ny rejisitra voatondro ny ventin’ilay didy,
👉Afaka mamoaka ilay sora-piankohonana vita fanavaozana amin’izay avy eo ilay Kaominina.

⭐ Hanomboka lohahevitra vaovao indray isika amin’ny heriny anio dia ny mikasika ny atao hoe olona tsy hita intsony eo amin’ny toeram-ponenany na «absent» sy ny olona tsy hita popoka na «porté disparu» satria dia voafaritry ny lalàna avokoa izany tranga izany.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA.

⚖️ FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA MIKASIKA NY FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION DES ACTES D’ETAT CIVIL).

📌 Hojerentsika indray ary ny mahakasika ny fanavaozana ny sora-piankohonana. Marihina fa tsy hoe ilay sora-piankohonana lany daty ka mila avaozina akory no resahina eto.

🔷 NY FANAVAOZANA SORA-PIANKOHONANA (RECONSTITUTION D’ACTE D’ETAT CIVIL):
➡️ NY ANTONY HANGATAHANA FANAVAOZANA NY SORA-PIANKOHONANA :
Raha toa ka rovitra, simba na may na tsy hita ny rejisitra misy ny sora-piankohonan’ny olona iray na ireo izay noho ny antony tsy fantatra dia tsy hita ao amin’ny rejisitra izany sora-piankohonana izany.

🔷 MIKASIKA NY FANGATAHANA FANAVAOZANA SORA-PIANKOHONANA :
👉 Ilay olona voakasika na izay olona manao ny fangatahana amin’ny anarany (nomeny fahefana na raha tsy ampy taona izy dia ny rainy na ny reniny na izay olona manana fahefana aminy)
👉 Atao mazava ao anaty taratasy fangatahana ny mombamomba ny mpangataka sy ny anton’ilay fanavaozana sora-piankohonana (ohatra : tsy hita ny rejisitra na rovitra na may sns…).

🔷 FITSARANA MAHEFA :
✅ Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eo amin’ny toerana misy ilay Kaominina nitahiry ilay rejisitra.

🔷 SARAN’NY FAMPIDIRANA NY FANGATAHANA ENY AMIN’NY FITSARANA :
❌ Maimaimpoana fa tsy misy vola aloa ny fangatahana fanavaozana ny sora-piankohonana.
⭐ Ho faranantsika amin’ny heriny anio ny momba ny fanavaozana ny sora-piankohonana ka ho hitantsika amin’izany ny mikasika ireo paik’ady arahina eo anatrehan’ny fitsarana.

Posted in Actualités

Fananganantsaina fanomezana voninahitra ho an’ny firenena teto amin’ny tokotanin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra.

📸 Pejy an-tsary 11 Aprily 2022 .

🇲🇬 ⚖️ Fananganantsaina fanomezana voninahitra ho an’ny firenena teto amin’ny tokotanin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra niarahana tamin’i A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana sy ireo mpiara-miasa rehetra.

Posted in Actualités

Fametrahana ny Zokiolon’ny Mpitsarana mpanao Famotorana ( Doyen des Juges d’instructions) eto anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy.

📸 Pejy an-tsary 08 Aprily 2022.

➡️ Fametrahana ny Zokiolon’ny Mpitsarana mpanao Famotorana ( Doyen des Juges d’instructions) eto anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy, A/toa RICO CHAN KAN

⚖️ FOTOAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA FAMETRAHANA NY ZOKIOLON’NY MPITSARA MPANAO FAMOTORANA eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo.

📌Tsy handefitra amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
✅ Mazava ny lahatenin’ny Zokiolon’ny Mpitsara Mpanao Famotorana (Doyen des Juges d’Instructions), A/toa RICO CHAN KAN izay vao napetraka tamin’ny toerany anio 08 Aprily 2022 tetsy amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy.

🔺 Tsapany ny ngidin’izany very fitaovana amam-pananana mahazo ny vahoaka izany, indrindra ireo madinika, ka vonona ny tenany hampanjanka ny rariny sy ny hitsiny.
💡 Ho atolotra anao ny ampahan’ny lahatenin’ny Zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana, A/toa RICO CHAN KAN sy ireo valim-panotaniana napetraky ny mpanao gazety taminy sy tamin’ A/­toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana,Mi­nistry ny Fitsarana.

Posted in Autres Evenements

Fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny Filoha A/toa Randriamaro Alain Michel Ludovic sy ireo mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny Mpiraki-draharaha eto Madagasikara.

📸 Pejy an-tsary 08 Aprily 2022

➡️ Fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny Filoha A/toa Randriamaro Alain Michel Ludovic sy ireo mpikambana ao amin’ny Sendikan’ny Mpiraki-draharaha eto Madagasikara.