Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📸 Pejy an-tsary 26 Aprily 2022

⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📌 Tonga nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François teto Faravohitra :

➡️ Ny Masoivohon’ny Japana, A/toa HIGUCHI Yoshihiro
➡️ Ary ny Solontena manokana an’ny Vondrona Afrikanina, SEM HAWA Ahmed Youssouf.

📌 Nanamarika ny andro anio 26 Aprily 2022 ny fitsidihana ara-pomba fanajana roa sosona teto Faravohitra avy amin’ny Masoivohon’ny Japana sy ny avy ao amin’ny Vondrona Afrikanina.

✅ Fiarahabana amin’ny nahavoatendry ny Minisitra ary niompana ihany koa ny amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ao anatin’izany ohatra ny fanatsarana ny fifidianana ho avy.

💡 Atolotra anao manontolo ny resaka nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masoivohon’ny Japana, A/toa HIGUCHI Yoshihiro ary ny Solontena manokana an’ny Vondrona Afrikanina, SEM Hawa Ahmed YOUSSOUF tamin’ireo mpanao gazety.

Posted in Autres Evenements

Fanampiana ho an’ny fonjaben’ny Tsiafahy

⚖️ FANAMPIANA HO AN’NY FONJABEN’NY TSIAFAHY.

📌 Tonga nanatitra fanomezana ho an’ ny Fonjaben’ny Tsiafahy ny fikambanana “HASENE (TURC) sy MADRASSAH Ankadivato » androany 26 Aprily 2022 ho famaliana ny fangatahana natao. Fanampiana mba hanamaivanana ny vesatra mianjady ny fikarakarana ireo voafonja sy hanampiana amin’ny fitaovana hoenti-miasa no anton’izao.

➡️ Ireto avy no tolotra tamin’izany:
👉 Extincteur 01
👉 Haut-parleur 02
👉 Chaise fauteuil pour salle d’attente 01
👉 Loko (bid 30kg) 05
👉 Radio talky walky 04
👉 Vary (gony 50kg) 12
👉 Tsaramaso (gony 50kg) 01
👉 Tafo (3m) 20
👉 Ampoules LED Solaire rechargeable 120
👉 Arrosoires 08

⭐ Ny nandray an’ireo fanomezana tamin’ny anaran’ny Ministeran’ny Fitsarana moa dia ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, A/toa IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fonjaben’ny Tsiafahy.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana

⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana

📌Nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanajana an’ Atoa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropena, SEM Giovanni di Girolamo anio 25 Aprily 2022 teto @ biraon’ny Minisitra teto Faravohitra.

🔺 Tonga niarahaba ny nahavoatendry ny Minisitra izy sy nanamarika ary nanamafy ny fitohizan’ny fiara-miasa.
Ny Fitsarana ho an’ny Daholobe « projet NFD » moa no hanohanan’izy ireo ny Minisiteran’ ny Fitsarana amin’ny fanatsarana ny fampitaovana hoenti-miasa eny anivon’ny Lapan’ny Fitsarana .

💡Mitondra fanazavana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOZAFY François sy ny Masohivohon’ny Vondrona Eropeanina, SEM Giovanni di Girolamo Monina sy miasa eto Madagasikara.

Posted in Actualités

Fifamindram-pitantanana

⚖️ Fifamindram-pitantanana

➡️ Tontosa androany 25 aprily 2022 teto amin’ny Tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra nandritra ny fivorian’ny lehibe isan’ambaratongany eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ny Fifamindram-pitantanana teo amin’A/toa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Minisitry ny fitsarana izay sady Mpandrindra teo aloha, sy R/toa RASOLONANAHARY Vololoniaina izay voatendry ho Mpandrindra vonjimaika ny Birao Fandrindrana sy Fanaraha-maso ny Fitsarana sy ny Fonja (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires na BCCJEP).

Posted in Actualités

Fananganantsaina natao teny Antanimora.

📸 Pejy an-tsary 25 Aprily 2022 .

🇲🇬 ⚖️ Fananganantsaina natao teny Antanimora

Toy ny isaky ny Alatsinainy farany volana dia teto amin’ny Fonjamben’Antanimora­ no nanatontosana ny fanangananntsaina, niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izay notarhinan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana A/toa RAKOTOZAFY François.

➡️ Nampita ireo vaovao farany izy ho an’ny mpiara-miasa, ka isan’izany ny nahazoana vola hahafahana manao sy manohy ireo fotodrafitrasa maromaro (Lapan’ny Fitsarana sy fonja), teo ihany koa ny nahazaona ireo “poste budgetaire” ho an’ny sekoly hanaovana fifaninana hiditra ho mpandraharaha ny fonja ary koa ho an’ny sekoly mpampiofana ho mpitsara na mpirakidraharaha.