Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina

📸 Pejy an-tsary 24 Martsa 2022

⚖️ Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivohon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina

📌 Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana teto Faravohitra, tamin’ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOZAFY François ny Masoivohon’ ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina androany 24 Martsa 2022. Fiarahabana azy amin’ny nandraisany ny toerany amin’ny maha Ministra azy sy ho fanohizana hatrany ny fiaraha-miasa no antony ny fitsidihana. Tao ihany koa ny firesahana ny hanaovana ny “Coopération d’entraide Judiciaire” ho fifanampiana amin’ny raharaham-pitsarana.

💡 Mitondra fanazavana ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOZAFY François.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana teto Faravohitra nataon’ny avy ao amin’ny PNUD sy ny USAID ary ny PREA

📸 Pejy an-tsary 22 Martsa 2022

⚖️ Fitsidihana teto Faravohitra:
Fanatsarana ny asam-pitsarana no himasoana miaraka

📌 Tonga teto Faravohitra, nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tamin’ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOZAFY François, androany Talata 22 Martsa 2022, ny Mpisolo Tena maharitra eo anivon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD), sy ny Tale Jeneralin’ny USAID ary ny Solontena avy ao amin’ny PREA.

🔷 Nisongadina nandritra izany ny momba ny Tetikasa ” RINDRA” izay hatomboka ny Alakamisy ho avy izao. Tanjona iraisana ny fanatsarana ny fampandehanana ny asam-pitsarana, indrindra ny resaka ady madio.

➡️ Ohatra mivaingana ao ny lafiny haikajy mirindra (informatisation) hanatsarana ny fitantanana rehetra. Haharitra 5 taona moa ity Tetikasa ity.

💡 Mitondra fanazavana ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOZAFY François, arahin’ireo valim-panontaniana avy amin’ireo mpanao gazety.

Posted in Actualités

Fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana

📸Pejy an-tsary Alatsinainy 21 Martsa 2022

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIKADY ARA-PITSARANA

📌 Indro ary entina amintsika indray amin’ity herinandro ity ireo tsara ho fantatra mikasika ny atao hoe fananganana sy ny fianahana izay anisan’ireo trangam-piankohonana­ ka manova ny fiankohonan’ny olona iray.

🔷 NY FANANGANANA (ADOPTION):
👉 Miteraka zo sy adidy eo amin’ny mpanangana sy ny atsangana.
👉 Misy karazany roa ny fananganana: ny fananganana tsotra sy ny fananganana feno na ara-pitsarana.

➡️ Ny fananganana tsotra dia soratra manan-kery eo anatrehan’ny lalàna, hamoronana fifandraisana ara-pianakaviana eo amin’olon-droa tsy misy rohim-pihavanana, na hanamafisana fifandraisana eo amin’olon-droa izay efa mpihavana na efa misy rohim-pihavanana.
🔺 Ny fananganana tsotra izany dia tsy manapaka ny rohim-pihavanana nisy teo amin’ilay mpanangana sy ilay natsangana raha toa ka mpihavana izy ireo.
🔺Ny fananganana tsotra dia atao eo anatrehan’ny Mpiandraikitra ny fiankohonana eo amin’ny toeram-ponenana mahazatra an’ilay mpanangana ;

⭐ Porofon’ny fananganana tsotra : sora-pananganana tsotra (acte d’adoption simple) ataon’ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana

➡️ Ny fananganana feno na ara-pitsarana dia fomba iray nofaritan’ny lalàna ahafahana mametraka ny fianahana ara-dalàna eo amin’ny mpanangana sy ny atsangana, izay manome an’ity farany ny toetra maha zanaka ara-dalàna.
🔺 Tapaka tanteraka ny fianahana eo amin’ilay zaza izay natsangana feno sy ireo ray aman-dreny niteraka azy.
🔺 Ny fananganana feno dia ambara amin’ny alalan’ny didim-pitsarana.
🔺 Ny didim-pitsarana raikitra dia entina hanaovana ny fandikana ao amin’ny bokim-piankohonana (transcription) any amin’ny kaominina nahaterahan’ilay zaza atsangana. Ny sora-pahaterahana teo aloha an’ilay zaza natsangana dia misolo vaovao tanteraka.

⭐ Porofon’ny fananganana feno : sora-pananganana feno (acte d’adoption plénière) sy ny sora-pahaterahana vaovao ary ny soratra an-tsisiny amin’ny sora-pahaterahana taloha an’ilay natsangana.

🔷 NY FIANAHANA (FILIATION):
👉 Ny fianahana dia ilazana ireo loharano nipoiran’ny olona iray: ny ray sy ny reny.
⭐Avy amin’ny RENY dia ny fiterahana no manaporofo izany.
⭐Avy amin’ny RAY kosa dia ny fanambadiana, ny fanjanahana na ny fanambarana ara-pitsarana (déclaration judiciaire de paternité) no porofony.

Hamaranantsika ity fampahafantarana lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny fiankohonana ity amin’ny herinandro dia ny mikasika ny fanariana anaka (rejet) sy ny fanjanahana (reconnaissance)

Posted in Actualités

Lanonana famindram-pahefana

📸 Pejy an-tsary Alakamisy 17 Martsa 2022 :

⚖️Lanonana famindram-pahefana teo amin’ny Minisitra nitantana vonjimaika ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RANAMPY Marie Gisèle, sy ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjaka­na Minisitry ny Fitsarana vaovao, Atoa RAKOTOZAFY François, natao teto amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra

⚖️Asam-pitsarana :
Hilofosana ny ady amin’ny kolikoly

📌Mazava ny lalan-tsaina ho fanatsarana ny asam-pitsarana. Hilofosana ny ady amin’ny kolikoly, araka ny Velirano faha-3 nataon’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nivoitra io nandritrta ny lahateny nataon’ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana vaovao, Atoa RAKOTOZAFY François. Tontosa androany Alakamisy 17 Martsa 2022 teto amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, ny lanonana famindram-pahefana teo amin’ny Minisitra nitantana vonjimaika ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RANAMPY Marie Gisèle, sy ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana vaovao, Atoa RAKOTOZAFY François.

💡Taorian’izany, dia namaly ireo fanontaniana vitsivitsy napetrak’ireo mpanao gazety ny tenany. Atolotra manontolo amintsika ny lahateny nataony, miaraka amin’ireo valim-panontanian’ireo mpanao gazety.