Posted in Autres Evenements

Dinikasa niaraka amin’ireo DRAP sy CE

📸 Pejy an-tsary Alarobia 23 Febroary 2022
⭐ Dinikasa tao amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, teo amin’Atoa Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP), sy ireo Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP) manerana ny Nosy. Nanokatra ny dinikasa, Rtoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana.
🔷 Niompana tamin’ny fanomezana ireo toromarika sy fifanakalozan-kevitra momba ny asa.

Posted in Annonces et Informations

Filazana

⚖️ Ny Ministeran’ny Fitsarana dia,

🔹Mankahery indrindra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, eny anivon’ny Fitsarana isan’ambaratonga sy ny Fonja ary ireo Fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP), amin’ny Faritra rehetra nolalovan’ny rivodoza « Emnati ».

Posted in Autres Evenements

Fihaonana niarahana amin’ireo ireo solontenan’ny Fianakaviamben’ireo Vadintany sy Mpanao Lavanty eto Madagasikara

⚖️ Fihaonana teto Faravohitra:
Mitsahatra ny fitokonan’ireo Vadintany sy Mpanao Lavanty
📌 Ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Hiverina hiasa manomboka rahampitso Talata 22 Febroary ireo Vadintany sy Mpanao Lavanty manerana ny Nosy. Mitsahatra araka izany ny fitokonana nataon’izy ireo. Hisy zaikabe nasionaly hatao ny 17 Martsa 2022 eto Antananarivo, hiarahan’ireo mpisehatra rehetra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny, handinihana ny fanatsarana ny asa.

➡️ Nivoitra ireo androany 21 Febroary 2022, teto Faravohitra. Nisy ny fihaonana teo amin’ireo tompon’andraikitra notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, sy ireo solontenan’ny Fianakaviamben’ireo Vadintany sy Mpanao Lavanty eto Madagasikara (Chambre Nationale des Huissiers de Justice et des Commissaires Priseurs de Madagascar – CNHJCP), notarihin’ny Filohany, Me RAKOTONIRINA Herilalaina Alain.

⭐ Tsiahivina fa ny Ministeran’ny Fitsarana no mpiahy ny CNHJCP, araka ny lalàna. Ny dinika androany dia niainga tamin’ny fitokonana nataon’izy ireo nanomboka ny 10 Febroary lasa teo.

 

Posted in Autres Evenements

Fananganan-tsaina teto Faravohitra

📸 Pejy an-tsary Alatsinainy 21 Febroary 2022:
🇲🇬 Fananganan-tsaina teto Faravohitra notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle
📌 Fampahatsiahivana: amin’ny 8ora sy 30mn no fanombohan’ny fananganan-tsaina
🔹Eny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy isaky ny Alatsinainy voalohany amin’ny volana
🔹Eny Antanimora rehefa Alatsinainy faran’ny volana
🔹Eto Faravohitra ny ankoatra ireo
➡️ Fanentanana: mitohy ara-dalàna toy ny mahazatra ny asa. Ho fiatrehana ny fiavian’ny rivodoza « Emnati » dia mila miomana sy mailo ny rehetra.
Posted in Annonces et Informations

Ady amin’ny Covid-19 : Nanao tatitra ny fitsirihana ny fitantanam-bola ny Fitsarana misahana ny Kaonty

📌 Navoakan’ny Fitsarana misahana ny Kaonty, androany Alarobia 17 Febroary 2022, ny tatitra momba ny fitsirihana (audit) izay nataon’izy ireo tamin’ny fitantanana ny vola natokana hiadiana amin’ny valanaretina Covid-19 nandritra ny taona 2020. Marihina moa fa izany fitantanana izany dia notanterahina tao anatin’ny fahasarotana maro nateraky ny krizy ara-pahasalamana nisy teto amin’ny firenena.
➡️ Misongadina ao anaty tatitra ny fizotry ny fampiasana ireo vola fanampiana, ka ho fanajana ny mangarahara dia natao ho fantatry ny rehetra izy ity.
——————————————
🔶 Lutte contre la pandémie de Covid-19:
⚖️ La Cour des comptes a publié le rapport d’audit
📌 La Cour des Comptes a rendu ce mercredi 17 Février 2022, le rapport d’audit sur la gestion des fonds liés à la lutte contre la pandémie de Covid-19 durant l’exercice 2020. Une gestion qui a été fortement perturbée par le contexte sanitaire d’une gravité sans précédente mais qui devait avant tout assurer la sauvegarde de la santé publique.
➡️ Le rapport fait le point sur les flux financiers dans la gestion de la crise. Pour la transparence et la redevabilité, il est mis à la disposition du public.