Posted in Autres Evenements

Andron’ireo Lehiben’ny Fitsarana: Hahazo fitaovana vaovao hoenti-miasa

Tanjona ny fanafainganana sy fanatsarana ny asam-pitsarana. Vina ny Fitsarana manakaiky vahoaka. Anisan’ny ilaina amin’ny fanatrarana an’izay ny fitaovana vaovao hoenti-miasa. Anisany ireo karazana « logiciels » miisa 4. Anjaran’ny tsirairay no maneho ny fahavononany.

Nivoitra ireo nandritra ny 2 Andron’ireo Lehiben’ny Fitsarana (Journées des Chefs de Juridiction-JCJ) natao tao amin’ny trano fandraisam-bahiny « Splendide  » eto Toamasina.

Nifarana androany Zoma 12 Novambra 2021 ny JCJ ho an’ny avy aty amin’ny tapany atsinanana sy afovoan’ny Nosy. Tsiahivina fa lohahevitra nandritra ny atrikasa fiofanana ny  » Fitantanana ny Fitsarana amin’izao vanim-potoanan’ny nomerika na haikajy mirindra » (Management des juridictions à l’ère du numérique). Nanohana ny tetikasa « Ny Fanjakana ho an’ny Daholobe » (NFD).

Mitondra fanampim-panazavana, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Gabrielle Ain’Harimanga, izay nisolo tena ihany koa ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.

Posted in Actualités

Pejy an-tsary : Fanotronana sy fizarana mari-pankasitrahana ireo andiany indray mihira SEDRA ao amin’ny IMATEP