Posted in Annonces et Informations

FILAZANA

Ho an’ireo mpianatra vaovao miisa 500 mianadahy hiditra hianatra ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) ao Antetezambaro, Toamasina
Asaina ianareo hanatona haingana:
Ny Fonja akaiky indrindra, na ireo birao misy ny Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP)
 Hijery ny peta-drindrina mirakitra ny lisitry ny kojakoja rehetra mila omanina, mialoha ny fidirana.
Misaotra tompoko
Posted in Actualités

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : Nitsidika teto Faravohitra ny Masoivoho Italiana

Mazava ny tanjona. Miroso ny ezaka eo amin’ny fanatsarana ny sehatry ny Fitsarana eto Madagasikara, araka ny Velirano nataon’Andriamatoa Filoham-pirenena. Tonga nanatontosa fitsidihana ofisialy teto Faravohitra tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa IMBIKI Herilaza, ny « Consul Honoraire d’Italie », SEM Dr Michele FRANCHI androany Talata 12 Oktobra 2021.

Anisan’ny fanohanana ho avy ny fampiofanana Mpitsara.