Posted in Actualités

Fidinana ifotony eto Fianarantsoa: Notsidihana ny Fonja sy ny Fitsarana

Mandroso ny ezaka fanatsarana ny asam-pitsarana. Ny Fonja sy ny Fitsarana eto Fianarantsoa no notsidihana ifotony, amin’izao andro faharoa sy fahatelo izao. Nitarika ny delegasiona ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa IMBIKI Herilaza.

Toy ny tao Antananarivo, tany Toliara sy Mahajanga, dia notsidihana ny Fonja. Nijery ifotony, nihaino, nampahery, ary nitondra vahaolana sy nanolotra « lecteurs vidéo » sy fahitalavitra.

Nihaona tamin’ireo Mpitsara sy Lehiben’ny Firaiketan-draharam-pitsarana, sy Mpiraki-draharaha teto koa Atoa Minisitra ka nanome ireo toromarika samihafa amin’ny raharaham-pitsarana.

Dinikasa niaraka tamin’ireo Mpitsara, sy ireo Lehiben’ny Mpiraki-draharaha sy Mpiraki-draharaha isan-tsokajiny (TPI/CA/TF/TA/PAC), no nanohizana ny fitsidihana. Anisan’ny nivoitra ny fitsipi-pifehezana sy fitondran-tena, ny fanafainganana ny asam-pitsarana, ary ny fanatrarana ny tanjona amin’ny taha 70/30.

#SahiaMitoroka