Posted in Actualités

Pejy an-tsary : Fitsidihana ny asa fanorenana ao Ambohitrabiby

Fitsarana manakaiky vahoaka sy fanajana ny zon’olombelona:

Fitsidihana ny asa fanorenana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) sy ny Fonjabe ao amin’ny kaominina Ambohidrabiby, Distrika Avaradrano, notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana ,Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa IMBIKI Herilaza. Ity Fonjabe ity dia miorina amin’ny velarantany 9000m2, amin’ny faritra mitotaly 4 Ha, hisian’ireo toeram-ponenan’ny Mpandraharahan’ny Fonja, sy ireo fotodrafitrasa ilaina. Hahazaka voafonja 1.000, ary manara-penitra.