Posted in Autres Evenements

Andro ho an’ny Lehiben’ny Fitsarana: Imasoana ny fanafainganana ny asam-pitsarana

« Fitantanana ny Fitsarana amin’izao vaninandron’ny nomerika, hai-kajy mirindra ». Io no lohahevitra amin’ny andiany faha-10 amin’ny 2 andro ho an’ny Lehiben’ny Fitsarana, izay nisokatra androany Alarobia 8 Septambra 2021 eto amin’ny Hôtel Le Palétuvier eto Toliara. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanafainganana sy fanatsarana ny asam-pitsarana, ny fahaiza-mifehy ireo karazana teknolojia vaovao.

Posted in Autres Evenements

Pejy an-tsary Alarobia 8 Septambra 2021: Fifamindram-pitantanana sy arak’asa teo amin’ny lehiben’ny fonjaben’ Antanimora teo aloha, ny  » Contrôleur d’administration pénitentiaire » Rakotonanahary Tahina, sy ny mpisolo azy ny « Contrôleur d’Administration Pénitentiaire » Andriamanantena Jean Claude.

Posted in Autres Evenements

Ady amin’ny Covid 19: Nanao vaksiny faharoa ny ao Antanimora

Tontosa androany Alarobia 8 Septambra 2021 tao amin’ny Fonjan’Antanimora ny fanaovana vaksiny faharoa (2e dose), tafiditra amin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid 19. Lehilahy 57 ary vehivavy 43 no nahavita izany androany.
Toy izao ny fanazavana entin’ny Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana (DGPR) Atoa RAVELOSON Aimé Gilbert.

Posted in Autres Evenements

Pejy an-tsary Alarobia 08 Septambra 2021 : Fonjan’Antanimora, fanaovana vaksiny faharoa (2ème dose), ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid 19.