Posted in Actualités

Fitsarana Ambony Toliara : Nanao fianianana ny Tonia Mpampanoa Ambony vaovao

Vonona tanteraka hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny asam-pitsarana ny Tonia Mpampanoa Ambony (Procureur Général – PG) vaovao eo anivon’ny Fitsarana Ambony (Cour d’Appel – CA) ao Toliara. Tontosa androany Zoma 3 Septambra 2021 teny amin’ny Fitsarana Tampony (Cour Suprême) Anosy ny fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ny PGCA Toliara, Atoa NIRINA Jean Arivoson Désiré.
Nanome voninahitra ny fotoana ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.
Marihina fa amin’ny Zoma 10 Septambra izao, no ho tontosaina ao amin’ny Fitsarana Ambony ao Toliara, ny fotoam-pitsarana manetriketrika, ho fametrahana amin’ny toerany an’Atoa Tonia Mpampanoa Ambony vaovao, izay mitondra amintsika ny laharam-pahamehany tahaka izao.