Posted in Actualités

Fitsarana misokatra amin’ny vahoaka : Ilaina ny fahatokisan’ny besinimaro

Tongotra mby an-dakana, ka tsy miverina intsony. Anaty Velirano nataon’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fisokafan’ny Fitsarana amin’ny vahoaka. Porofo hita maso sy azo tsapain-tanana ny ezaka atao eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Ilaina kosa nefa ny fahatokisan’ny vahoaka. Tsy honohono intsony ny ady amin’ny kolikoly sy ny fandalàna ny mangarahara. Nivoitra ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao tao amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra androany Sabotsy 28 Aogositra 2021.

Nitarika izany ny Mpitahiry ny Fitombon-kasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana Atoa IMBIKI Herilaza. Nanotrona azy ny Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) Atoa RAMAROLAHIHAINGONIRAINY sy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana Atoa BARAKA Jean Arnaud. Tsy niompana fotsiny tamin’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG ny valan-dresaka, fa nisy ihany koa ireo teboka vitsivitsy hafa. Tahaka ny fanenjehana olo-malaza iray nitranga tany Frantsa.