Posted in Autres Evenements

Fifaninanana hidirana ao amin’ny ENAP : 651 ireo hiatrika ny fiodinana faharoa

Miisa 500 ireo mpianatra ho raisina ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) ao Antetezambaro, Toamasina. 412 amin’ireo dia lehilahy, ary 88 dia vehivavy ary haharitra 20 volana ny fiofanana. 651 tamin’ireo mpiadina miisa 9.261 manerana ireo foibem-panadinana 14 manerana ny Nosy no hiatrika ny fiodinana faharoa, izay hatao tsy ho ela any Antetezambaro. Hiompana tanteraka amin’ny lafiny ara-panatanjahan-tena ny fifaninanana.

Nivoitra ireo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety notontosaina androany Alatsinainy 23 Aogositra 2021 teto amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra. Nitarika izany ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP) Atoa ANDRIAMAROAHINA RANAIVO Tovonjanahary sy ny Talen’ny ENAP Atoa RAZAFINTSALAMA Désiré.

Ankoatra ny fanamafisana fa nadio tanteraka ny fiodinana voalohany, ary ho lavitry ny kolikoly toy izany koa ny fiodinana faharoa ; dia namaly ireo fanontaniana maromaro momba ny raharaha hafa napetraky ny mpanao gazety ireto tompon’andraikitra ireto.
Azo arahinao manontolo tsy misy mipika ao amin’ny pejy « facebook » ireo valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ireo ho fanajana ny mangarahara, sy hahazoan’ny besinimaro valiny amin’ireo fanontaniana mety manitikitika ny tsirairay.

Posted in Actualités

Pejy an-tsary (fananganan-tsaina)

Fananganan-tsaina voalohany notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza, narahin’ny lahateny nataony ho an’ny mpiasa – Tokontanin’ny Ministera eto Faravohitra