Posted in Actualités

Fanohanana ny asam-pitsarana : Fitaovana informatika marobe avy amin’ny AFD

Fanamby lehibe ny fanatsarana ny asam-pitsarana, araka ny Velirano nataon’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Porofon’ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ny lanonana tontosa androany Zoma 20 Aogositra 2021 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra. Fanolorana fitaovana informatika marobe avy amin’ny « Agence Française de Développement » (AFD) amin’ny alalan’ny Tetikasa Fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara na « Projet d’appui à la Justice de Madagascar » (PAJMA).
Foibem-pitantanana miisa 11 eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana no misitraka ireo.