Posted in Autres Evenements

Fampandrosoana ny raharaham-pitsarana : Mikaraka atrikasa ny DERL

Miroso ny ezaka fanatsarana ny raharaham-pitsarana araka ny Velirano nataon’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nisokatra androany maraina ary haharitra hateloana etsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa fampananan-kery marim-pototra mety ho an’ny rehetra amin’ny asa eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI), na « atelier de validation des standards de service mis à jour des Tribunaux de Première Instance ».

Mikarakara izao atrikasa izao ny Foibem-pitantanana momba ny Fandinihana sy Fanavaozan-dalàna (DERL) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Mpanohana kosa ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD). Nanokatra ny atrikasa ny Tale Jeneralin’ny Raharaham-pitsarana ny Fandinihana ary ny Fanavaozana (DGAJER) Rtoa RANDRIANARISOA Salohy.