Posted in Autres Evenements

Fanangonana lamandy Nahazo « motos » 4 ny Fitsarana

Vavolombelon’ny asa ny bainga voavadika. Miroso ny ezaka fanatsarana ny asam-pitsarana eto Madagasikara, araka ny Velirano nataon’Atoa Filoham-pirenena Malagasy. Tontosa androany Talata 10 Aogositra 2021 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, ny lanonana fanolorana « motos » miisa 4 avy amin’ny « Agence Française de Développement » na AFD, amin’ny alalan’ny tetikasa PAJMA.
Ireo dia atolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) sy ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo sy ny ao Toamasina, ho fanohanana ny asa fanangonana lamandy amin’ireo didim-pitsarana efa nivoaka « Frais de justice pénale et assimilée » (FJPA).