Mois : février 2021
Fanendahana Mpandraharahan’ny Fonja teny 67 Ha : Nidoboka am-ponja ireo totakely 4 mianadahy
Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra. Olona miisa 4, ka lehilahy ny telo ary vehivavy ny iray, no naiditra am-ponja vonjimaika (MD) rehefa avy niakatra Fampanoavana tetsy Anosy androany 19 Febroary 2021. Ireo lehilahy telo any Tsiafahy ary ilay vehivavy kosa etsy Antanimora. Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava (BC) izy ireo ny 16 Febroary 2021, noho ny raharaha fanendahana Mpandraharahan’ny Fonja.
Teny 67Ha no nanaovan’izy ireto ny asa ratsiny, izay tsy vao voalohany izao. Mpandraharahan’ny Fonja avy any Arivonimamo, nody hariva rehefa avy nanatitra voafonja teny Antanimora ny harivan’ny 16 Febroary 2021 no voadaroka tamin’ny hazo sy voan’ny sabatra ka naratra mafy tokoa: vokany, very tamin’izany ny basy iray marika MAT 49.
Andro vitsy monja taorian’ny namelezany ireo Mpandraharahan’ny Fonja, dia vehivavy miisa roa miasa amina orinasa tsy miankina eny 67 Ha no lasibatr’ireto totakely, ary nampiasany ny basy nendahiny tamin’ireo Mpiandry Fonja.
Taorian’ny fisamborana azy ireo, dia efa niverina amin’ny tompony ny basy very. Mbola misy olona miisa 4 karohina momba ity raharaha ity.
Fampiasana taratasy hosoka ao amin’ny TPI: Lehilahy iray 44 taona naiditra MD
Fitsarana Ambaratonga Voalohany Fenoarivo Atsinanana : Fampiofanana ny mpiaramiombonan’antoka rehetra amin’ny fiarovana ny Zaza tsy ampy taona
Firenena Mikambana sy Fitsarana Malagasy : Nitsidika teto Faravohitra ny Mpandrindra ny ONU
Vonona ny hanome tanana hatrany ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola (PTF). Tonga nitsidika ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana (GSMJ) Atoa Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO, ny Mpandrindra eo anivon’ny Firenena Mikambana (ONU) eto Madagasikara, Atoa Issa SANOGO ; androany Talata 16 Febroary 2021, teto Faravohitra.
Ny 11 Desambra 2020 no nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ity Mpandrindra ny ONU ity. Voalohany izy no tonga eto Madagasikara izao.
Teo aloha, dia efa Talen’ny Ivon-toerana Miady amin’ny tsy Fanjarian-tsakafo eo anivon’ny PAM tany Abidjan, Côte d’Ivoire, Atoa Issa SANOGO. Efa Talen’ny PAM tany Tchad ihany koa. Nanomboka tamin’ny taona 2005 izy no niditra niasa eo anivon’ny ONU.
Naharitra ny fihaonany tamin’ny GSMJ. Niompana tamin’ny fanohanana sy fanampiana ho amin’ny fanatsarana hatrany ny asam-pitsarana amin’ny ankapobeny ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, izay natrehin-dRtoa Tale misahana ny Zon’olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena (DDHRI) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Fandraharahana ny Fonja: Fanoitra amin’ny fanompoana ny Tanindrazana
Ministeran’ny Fitsarana miasa, miezaka ary tsy mikely soroka, manatsara hatrany. Herinandro miantomboka tamin’ny fananganana ny sainam-pirenena, nitohy tamin’ny fanondrotana Galona ho an’ireo Tompon’andraikitra miisa 4 mianadahy eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja