Posted in Annonces et Informations

Fiofanana arak’asa ao Antanimora : Voafonja vavy 30 sy voafonja lahy tsy ampy taona miisa 18 nahazo mari-pahalalana

Notolorana mari-pahalalana ara-panjakana androany 30 desambra 2020 tao amin’ny Fonjan’Antanimora ireo voafonja vavy 30 sy voafonja lahy tsy ampy taona miisa 18. Naharitra tapa-bolana nizara in-2 misesy ny fiofanana arak’asa narahin’izy ireo, ny Ministeran’ny Fampianarana Teknina sy ny Fiofanana arak’asa no nampiofana, ary tanjona ny hahafahan’izy ireo miatrika ny ho aviny amin’ny asa rehefa nahefa ny saziny ka tafaverina eny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo.
Hitohy amin’ny taona 2021 ny fanomezana ny fiofanana tahaka izao, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asam-pitsarana sy ny fandraharahana ny fonja, izay ilofosan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Atoa Andry Rajoelina, miaraka amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.