Posted in Actualités

Fanolorana fanomezana: Voatsinjo ireo voafonja

Afaka manamarika ny fetin’ny Krismasy ireo voafonja vehivavy sy zaza tsy ampy taona, ireo voafonja iharan’ny kere any Atsimo ary ny ao Tsiafahy. Taratasim-bola mitentina 50.000 $ (manodidina ny 194.000.000 Ar) avy amin’ny Papa Ray Masina François, omby iray avy amin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Atoa Andry Rajoelina sy ny Ministeran’ny Fitsarana, gonim-bary avy amin’ny Orinasa Huawei, vary amin’ny gony sy savony avy amin’ny Fondation Rajabaly.
Nanatitra ireo androany 24 desambra 2020 ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana (GSMJ) Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, sy « Son Éminence Monseigneur Nonce Apostolique  » eto Madagasikara misolo tena ny Papa Ray Masina, ny Arisevekan’Antananarivo Mgr Odon Razanakolona, ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky, ny Tale Jeneralin’ny Huawei ary ny solotenan’ny « Fondation Rajabaly » miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Hentitra Atoa GSMJ nilaza tamin’ireo mpiara-miasa rehetra ny amin’ny fanarahana ny mangaraharaha, ary tsy hanaiky izay sanatria hevitra mety ho fanodinkodinana na halatra amin’ireo fanomezana. Tsy hitsitsy fa hampihatra ny làlana famaizana ho an’ireo izay mety ho azon’ny fakam-panahy. Voalazan’Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo ihany koa fa izao hetsika izao dia porofo mivaingana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asam-pitsarana izay ilofosana sy ny fanatanterahana ny Velirano nataon’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay miezaka tokoa amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny famonjana hiarovana ny zon’olombelona amin’ny alalan’ny fanamboarana foto-drafitrasa maro eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja sy ny tontolon’ny Fitsarana.