Posted in Annonces et Informations

Vaoavao tany amin’ny Fonjan’ i Vangaindrano

Nitrangana hetsika tsy fahita teto amin’ny fonjan’ i Vangaindrano ny Alatsinainy hariva 07 Desambra 2020 tamin’ny 4 ora sy 15mn, ka nisy andian ‘olona avy ivelan’ny fonja nitaky ny amoahana voafonja iray avy nandalo famotorana tao amin’ny Fampanoavana izay nampidirina am-ponja vonjimaika.
Niezaka ny hiditra an-keriny tao am-ponja ireo olona ireo ka nanao am-boletra namoha an-keriny ny vavahadibe.
Namaly avy hatrany ireo Mpiandry fonja ka nanao tifi-danitra ( sommation) mba hihemoran’ireo andian’olona ireo.
Tonga nanampy nanome tanana amin’ny fiambenana ny fonja eny ivelany avy hatrany moa ireo mpitandro ny filaminana eo an-toerana.
Efa voaaro tsara ny fonja ankehitriny ary efa nisy ny fivoriana niarahina tamin’ny OMC District hatry ny omaly tamin’ny 9 ora alina ka nitohy androany Talata, izay nahitana ny Mpampanoa lalàna, ny lefitry ny Distrika, ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ary ny solombavambahoaka voafidy tao Vangaindrano.
Tapaka nandritra ny fivorian’ny OMC moa fa Madagasikara dia tany tan-dalàna, ka tsy misy afa-tsy ny fanarahan-dalàna ihany no vahaolana.
Satria efa fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana ny famonjana vonjimaika dia ny Fitsarana ihany no afaka mamoaka didy na manafoana izany.
Ireo andian’olona tao ivelan’ny Fonja kosa dia mbola niverina nanoloana ny Fonja niaraka tamin’ny fitaovana maranitra androany tamin’ny 5 maraina, na dia teo aza ny fahampafantarana azy ireo fa faritra mena « zone rouge », tsy azo aleha ny manodidina
ny Fonja.
Rehefa izany dia niala teo ireto andian’olona ireto dia namonjy ny Tribonaly , ny Distrika ary nilaza fa handoro trano rehefa tsy mahazo valiny mahafa-po.
Efa tafapetraka eny @ Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Vangaindrano moa izany fangatahana fahafahana vonjimaika izany ka dia miandry izay fanapahan-kevitry ny Fitsarana ny rehetra.
Efa tonga eo an-toerana ihany koa ny « renfort » na ny ekipan’ny mpiandry fonja avy any Farafangana.