Posted in Annonces et Informations

Ady amin’ny VBG

FIDINANA IFOTONY ATAON’NY MINISTERAN’NY FITSARANA

Manohy ny ezaka ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny ady atao amin’ny herisetra amin’ny maha-vavy, na maha-lahy ka anisany ny fanolanana zaza tsy ampy taona (VBG). Misy ny fidinana ifotony tarihin’ny Fitaleavana misahana ny Zon’Olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena (DDHRI). Tao amin’ny CEG Soamalaza sy Lycée Mandaniresaka samy ao Antsirabe no nanaovana fanentanana mikasika ny zon’ny ankizy, ny 30 novambra sy ny 01 desambra teo.
Araka ny fanazavan’ny DDHRI eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa Belalahy Hanitriniaina, dia niompana indrindra tamin’ny fampahafantarana ny zon’ny ankizy ny fihaonana, indrindra raha sanatria misy fanolanana na herisetra ara-nofo mihatra amin’izy ireo. Nazava tamin’ireo mpianatra fa tsy tokony hijanona amin’ny fahanginana izy ireo fa tokony hampandre ny ray aman-dreny, ny tompon’andraikitry ny Polisim-pirenena na ny Zandarimariam-pirenena. Eo ihany koa ny fanatonanana avy hatrany ny Mpitsara miandraikitra ny zaza tsy ampy taona eny anivon’ny Fitsarana raha vao misy fihetsika mampiahiahy azy ireo na raha sanatria ka niharan’ny herisetra ara-nofo na fanolanana. Nampahatsiahivina ny mpianatra koa ireo laharana maitso 147 sy 813 tokony antsoina.
Mpianatra 3.000 mahery no voaentana. Nozaraina « flyers » mirakitra ny zony ny mpianatra ary nomena ny mpanabe kosa ireo taratasy peta-drindrina (affiches) mba haranty ao amin’ny sekoly ho fanentanana amin’ny ady amin’ny VBG. Fantatra moa fa hitohy izao ezaka fanentanana sy fidinana ifotony izao.
Mpianatra 3000 mahery no voaentana. Nizarana « flyers » mirakitra ny zo-ny ny mpianatra ary nomena ny mpanabe kosa ireo taratasy peta-drindrina (affiches) mba haranty ao amin’ny sekoly.
Posted in Annonces et Informations

Drafitra EPU

NY FIAROVANA NY ZON’OLOMBELONA NO HIMASOANA

Nifarana ny 02 desambra 2020 tao amin’ny Hotel des Thermes Antsirabe ny atrikasa voalohany fandrafetana ny drafitra fanatanterahana ireo toromariky ny Filankevitry ny Zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana ao anatin’ilay hoe “Examen Périodique Universel” na EPU, sy ireo Rafitra mpanara-maso ny fifanarahana iraisam-pirenena ary ny mpanao tatitra manokana.

Nandray anjara tamin’ny atrikasa ireo mpikambana avy ao amin’ny Komity manoratra ny tati-panjakana momba ny zon’olombelona, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona ary ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Tsiahivina fa toromarika miisa 192 no neken’I Madagasikara nandritra ny fanadinana ny tatitra natao tany Genève tamin’ny novambra 2019. Ny fanatsaràna sy fampiroboroboana ny fiarovana ny zon’olombelona, indrindra ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy, no nahazoana fanamarihana betsaka. Noho izany dia fandrafetana ny drafitra ho fanatanterahana ireo toromarika ireo mandritra ny 4 taona ho avy, no natomboka tao Antsirabe ny 30 novambra teo.

Tanjona ny haha-fitaovana hatao tondrozotra izao drafitra izao, no sady hanomanana ihany koa ny Tatitra EPU faha-4 amin’ny taona 2024.

Posted in Annonces et Informations

Fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-pitsarana

MANARAKA FIOFANANA IREO LEHIBEN’NY MPIRAKI-DRAHARAHA

Fiofanana mandritra ny 4 andro no nisokatra androany maraina etsy amin’ny Sekolim-pirenerena ho an’ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna. Ireo Lehiben’ny Mpiraki-draharaha no miofana amin’ny lohahevitra « la comptabilité des greffes et le principe exécutoire des décisions judiciaires » na « ny fitantanana ny tao-kaonty eo anivon’ny lehiben’ny firaketan-draharaham-pitsarana sy ny fotokevi-panatanterahana ny didim-pitsarana ».
Maro ny tanjona amin’ny fampiofanana tahaka izao raha ny fanazavana. Anisany ny hanamafy ny fahaizana sy ny traikefa amin’ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny asa, ny hahafehy ny paikady amin’ny fitantanana ny vola fanao an-tratra (provison). Ny hahavoatazona araka ny tokony ho izy ireo karazana rejisitry sy tao-kaonty ampiasaina, ny hampadio ny fomba fiasa, ny hahavitana ara-potoana ny kaonty. Ny hahafehezana ny andraikitra sy ny asa tokony hatao rehefa mivoaka ny didim-pitsarana, ny hanatsarana sy ny mba tsy hampitarazoka ny asam-pitsarana.
Laharam-pahamehana ny hananan’ny mpisehatra sy ireo manana raharaha aty amin’ny fitsarana fahatokisana amin’ny asam-pitsarana, ary ny hametrahana hatrany ny tany tan-dalàna sy ny fitsinjovana ny vahoaka.
Amin’ny zoma izao moa vao hifarana ity fiofanana arahin’ireo Lehiben’ny Mpiraki-draharaha etsy amin’ny ENMG ity.