Posted in Actualités

Fihaonana teo amin’ny Governemanta sy ny Antenimieram-pirenena.

Ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana A/toa Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO miatrika ireo Solombavambahoaka teny amin’ny CCI Ivato androany talata 15 desambra 2020.
Araky ny fanontaniana arahana valiny teo amin’ny solombavam-bahoaka sy ny Governementa androany, dia voamarika fa misy azo tsoahina ary mihantefa amin’ny vahoaka ny ezaky ny departemantan’ny Fitsarana na ny ady amin’ny kolikoly na ireo fananganana fotodrafitr’asa toy ny fonja sy tribonaly eraky ny Nosy . Ny Fitsarana atokisan’ny vahoaka ary manakaiky vahoaka koa dia efa anatin’ny ezaka.
Nisy ny fangatahana avy amin’ny Solombavambahoakan’i Nosy be, Imanja, mba hanamboarana Fonja Manarapenitra ka noraisina ho isan’ny asa hotanterahina,ny fonja any Sainte Marie dia hatsangana tsy hoela aorian’ny famahana ny olana ara-teknika.
Ny fananganana Tribonaly dia nangataka koa ireo Solombavambahoaka avy any Amboasary Atsimo, Ambatofinandrahana ka hojerena miaraka amin’ny governementa ny fahafahana manatanteraka ny hetaheta.
Mahakasika ireo « dossiers » halatr’omby narahina faty olona dia hisy ny fangatahina ny tohiny eo anivon’ny fitsarana mahefa nandray izany.
Nahafa po ireo Solombavambahoaka ny fifamindrana asa nisy na teo amin’ny Mpitsara na Mpirakidraharaha na ireo lehiben’ny fonja notanterahina eran’ny Nosy.
Nisy koa ny fangatahana ny hanatanterahina « jugements supplétifs » ary nanambara ny Minisitra fa ezaka maharitra ataon’ireo mpitsara izany na eo aza ny tsy fahampian’isa ka nanemorana ny taona fisotroan-dronono.
Momba ny lositra tao Farafangana dia niara niasa, nidina ifotony ny Mpitsara niaraka tamin’ireo mpitandron’ny filaminana mitady ireo voafonja nanao lositra.Nanentana hatrany ny vahoaka ny Ministra mba hanampy amin’ny fikaroahana.

 

Posted in Annonces et Informations

Fanaparihahana lalàna eny ifotony

Nisitraka ny fampahafantarana manokana momba ny lalàna vaovao laharana faha 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mikasika ny fiankohonana izay notanterahan’ny Sampandraharan’ny Fanapariahana lalàna ato amin’ny Fitaleavana momba ny fandinihana sy ny fanavaozana lalàna (DERL) ireo Mpiandraikitra ny sora-piankohonana sy ireo mpitantsoratry ny sora-piankohonana ao amin’ny Kaominina 19 mandrafitra ny Distrikan’Anjozorobe. Ny 09, 10 ary ny 11 desambra 2020 lasa teo tao amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina Ambonivohitra Anjozorobe no nanatanterahana izany. Nanohana ny tetikasa PAJMA.

Novelabelarina nandritra izany ny mikasika ireo karazana trangam-piankohonana dia ny fahaterahana, ny fanambadiana, ny fisaraham-panambadiana, ny fanjanahana, ny fananganana, ny fahafatesana ary ny fanarian’anaka. Nampahafantarina ihany koa ny anjara andraikitra sy adidy manandrify azy ireo tsirairay ary ny fanavaozana nentin’ilay lalàna vaovao toy ny fe-potoana fanambarana fahaterahana sy fahafatesana izay lasa ho 30 andro.

Izao hetsika izao moa dia ho fanatanterahana ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana « Fitsarana manakaiky vahoaka » ary mbola hitohy manerana ny nosy izany hetsika izany ny taona 2021.

Posted in Annonces et Informations

Fankalazana ny andro maneran-tany momba ny zon’olombelona

Notanterahina omaly 10 desambra 2020 tao amin’ny lapan’ny Fitsarana an-Tampony Anosy ny lanonan-dehibe fanamarihana sy fankalazana ny andro maneran-tany momba ny zon’olombelona, daty fitsingerenan’ny taona nanambaràna ny zon’olombelona.
Ny Fanjakana malagasy tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana no nikarakara izany.
Notanterahina nandritra izany ny famakiana ny hafatra avy amin-dRtoa Kaomisera Ambony ao amin’ny Firenena Mikambana, fanomezana ny « Prix des Droits de l’homme », ny fanaovana tatitra momba ny EPU 2019 .
Tonga nanome voninahitra ny fotoana ireo olo-manan-kaja maro sy ireo Masoivoho ary koa ireo rafitra miankina amin’ny Fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny zon’olombelona.

 

Posted in Annonces et Informations

Fanajariana lalàna eny amin’ny kaominina

ANJARAN’ANJOZOROBE INDRAY IZAO

Mitohy ny ezaka Fitsarana manakaiky sy misokatra amin’ny vahoaka. Anjozorobe indray no nanohizana nanomboka ny alarobia 09 desambra 2020 ny hetsika fampahafantarana sy fanajariana lalàna. Mpikarakara ny Fitaleavana misahana ny fandinihana sy fanavaozana ny lalàna (DERL) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Ireo lalàna novaina sy navaozina no lohahevitra tamin’ny atrikasa natao tao amin’ny biraon’ny Kaominina. Misitraka izany voalohany ireo Ben’ny Tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra eto amin’ny Distrikan’Anjozorobe.

Tsiahivina fa izao dia hetsika izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Ministera momba ny
Fitsarana manakaiky vahoaka sy mora atonina, izay tohanan’ny PAJMA. Ho tanterina amintsika manaraka eto ihany ny votoatiny.

Posted in Annonces et Informations

Vaoavao tany amin’ny Fonjan’ i Vangaindrano

Nitrangana hetsika tsy fahita teto amin’ny fonjan’ i Vangaindrano ny Alatsinainy hariva 07 Desambra 2020 tamin’ny 4 ora sy 15mn, ka nisy andian ‘olona avy ivelan’ny fonja nitaky ny amoahana voafonja iray avy nandalo famotorana tao amin’ny Fampanoavana izay nampidirina am-ponja vonjimaika.
Niezaka ny hiditra an-keriny tao am-ponja ireo olona ireo ka nanao am-boletra namoha an-keriny ny vavahadibe.
Namaly avy hatrany ireo Mpiandry fonja ka nanao tifi-danitra ( sommation) mba hihemoran’ireo andian’olona ireo.
Tonga nanampy nanome tanana amin’ny fiambenana ny fonja eny ivelany avy hatrany moa ireo mpitandro ny filaminana eo an-toerana.
Efa voaaro tsara ny fonja ankehitriny ary efa nisy ny fivoriana niarahina tamin’ny OMC District hatry ny omaly tamin’ny 9 ora alina ka nitohy androany Talata, izay nahitana ny Mpampanoa lalàna, ny lefitry ny Distrika, ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ary ny solombavambahoaka voafidy tao Vangaindrano.
Tapaka nandritra ny fivorian’ny OMC moa fa Madagasikara dia tany tan-dalàna, ka tsy misy afa-tsy ny fanarahan-dalàna ihany no vahaolana.
Satria efa fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana ny famonjana vonjimaika dia ny Fitsarana ihany no afaka mamoaka didy na manafoana izany.
Ireo andian’olona tao ivelan’ny Fonja kosa dia mbola niverina nanoloana ny Fonja niaraka tamin’ny fitaovana maranitra androany tamin’ny 5 maraina, na dia teo aza ny fahampafantarana azy ireo fa faritra mena « zone rouge », tsy azo aleha ny manodidina
ny Fonja.
Rehefa izany dia niala teo ireto andian’olona ireto dia namonjy ny Tribonaly , ny Distrika ary nilaza fa handoro trano rehefa tsy mahazo valiny mahafa-po.
Efa tafapetraka eny @ Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Vangaindrano moa izany fangatahana fahafahana vonjimaika izany ka dia miandry izay fanapahan-kevitry ny Fitsarana ny rehetra.
Efa tonga eo an-toerana ihany koa ny « renfort » na ny ekipan’ny mpiandry fonja avy any Farafangana.