Posted in Autres Evenements

Fanatsarana ny asam-pitsarana

VITAINA NY FANASOKAJIANA IREO ASA SY ANDRAIKITRA

Atrikasa tontosaina mandritra ny hateloana no nisokatra androany maraina eto amin’ny Ermitage Mantasoa. Taperina hatramin’ny zoma 30 oktobra izao ny fanasokajiana ireo asa sy ny famaritana tsirairay ireo andraikitra eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Mahatratra 569 ny isan’ireo antotan-taratasy manasokajy ireo asa tsirairay tsy maintsy vitaina. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara izao hetsika izao. Ho fandalàna ny mangarahara dia ho azon’ny daholobe jerena ireo, amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera Multimedia Builder, no sady fampahafantarana ho an’ireo izay mety liana te hiditra eo amin’ny sehatry ny asam-pitsarana. Manatrika ity atrikasa ity, ny tompon’andraikitra sy solontena avy amin’ny fitaleavana sy sampan-draharaha isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Mamatsy vola izao hetsika izao ny Vondrona Eoropeana (UE) amin’ny alalan’ny tetikasa NFD.