Posted in Annonces et Informations

Fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara

NASIANA FANATSARANA NY FANATANTERAHANA NY TETIK’ASA PAJMA

Drafitrasa sy tetikasa maro no tontosain’ny Ministeran’ny Fitsarana, nohon’ny fanampiana sy fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Anisan’ny mitana ny laharany voalohany amin’ireo ny Tetikasa Fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara na PAJMA izay vatsian’ny Agence Française de developpement (AFD) ary voatondro haharitra mandritry ny efatra taona. Niteraka fahasarotana teo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa PAJMA ny fisian’ny valanaretina Covid-19 sy ny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny Firenena ary dia nisy friantraikany tokoa amin’ny fanatrarana ireo tanjona izay kendrena. Vokatr’izay dia maro ireo tetikasa tsy maintsy hahemotra amin’ny taona ho avy. Sahala amin’izay ihany koa ny sorabola nomanina tamin’ity taona 2020 ity. Eo anatrehan’izany dia nivoitra ny fanirian’ny maro ny hanalavana ny fotoam-piasan’ny PAJMA, izany dia ny mba hahatrarana ireo tanjona efa napetraka fa indrindra mba hitondra fahombiazana bebe kokoa eo anivon’ny tetikasa. Nivoitra ny alakamisy teo nandritra ny fivoriana faharoa natrehin’ireo mpikambana ao amin’ny Komity mpandrindra ny PAJMA teo amin’ny tranombokin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ary notarihin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana. Nanatrika io fivoriana io ny « Agence Française de Développement » na AFD, ny Sekretera Jeneraliny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara, ny avy ao amin’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara, ny avy ao amin’ny vondrona eoropeanina, ireo tale jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny fitsarana, ny talen’ny sekolim-pirenena mampiofana ny mpandraharahan’ny fonja ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny PAJMA tarihin-dRamatoa mpandrindra ny tetikasa. Notoavina nandritra io fivoriana io ny fanatsarana ny fanatanterahana ny tetikasa mba hanarenana ny fahatarana vokatry ny fandalovan’ny COVID-19, ary nolaniana ihany koa ny fandaharan’asa ho tontosaina amin’ity 3 volana farany amin’ny taona 2020 ity. Raha tsiahivina, ny tanjon’ny PAJMA dia ny fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana, ny fanomezana traikefa sy fanosehana ny lafiny maha-matihanina ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny Fitsarana sy ny Fandraharahana ny Fonja.