Posted in Actualités

PAC Mahajanga

RAKOTOMAHAZO Patricia sy Ranorine no lehibeny

Tontonsa androany tetsy amin’ny Fitsarana an-tampony ny lanonam-pitsarana manetriketrika nanaovana ny fianianan’ny lehiben’ny Tendro iraisan’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly (PAC) ao Mahajanga. Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020/647 dia Ramatoa Rakotomahazo Patricia no voatendry ho lehiben’ny mpitsara mpamoaka didy eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga faharoa miady amin’ny kolikoly ao Mahajanga. Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020/648 dia Ramatoa Ranorine no lehiben’ny mpitsara mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga faharoa miady amin’ny kolikoly ao Mahajanga.

Manana traikefa ary mpitsara efa nitazona andraikitra maro eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara izy roa vavy ireto. Samy nianiana teo imason’ny olo-manan-kaja sy tompon’andraiki-panjakana maro tonga nanotrona izy ireo fa hitsara amin’ny hitsiny sy ny rariny, hitandro ny fahamarinana sy ny tsiambaratelon’ny diniky ny fitsarana.

Nandritra ity lanonam-pitsarana manetriketrika ity dia nomarihin’ny Filoha voalohan’ny fitsarana an-tampony (PPCS) sy ny Tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana an-tampony (PGCS) fa efa mizotra ny ezaka sy ady atao amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana. Tsy misy ny kolikoly rehefa tsy misy ny mpanao izany hoy izy ireo. Anjaran’ny tsirairay no miara-mientana hiady amin’ny kolikoly eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana, satria tafiditra ao anatin’ny Velirano nataon’ny Filoham-pirenena Malagasy Andriamatoa Andry Rajoelina ary tarigetran’ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa Johnny Richard Andriamahefarivo. Tanjona ny hamerenana ny hasin’ny fitsarana sy hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitsarana.

Marihina moa fa araka ny lalàna, dia ho tontosaina afaka andro vitsivitsy ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an’ireto lehiben’ny PAC Mahajanga any amin’ny toeram-piasany amin’izao andraikitra vaovao ho sahaniny izao.