Posted in Actualités

Fanapariahana lalàna eny anivon’ny Kaominina

« Fitsarana manakaiky vahoaka sy mora atonina »

Ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitrimanjaka no nisantatra ny fanapariahana sy fampahafantarana lalàna ho an’ny daholobe izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana tamin’ity taona 2020 ity.

Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Ministera ny amin’ny « Fitsarana manakaiky vahoaka sy mora atonina » mantsy izany fidinana ifotony izany. Ka ny marainan’ny Talata 29 septambra 2020 tao amin’ny tranompokonolona Ambohitrimanjaka no notanterahin’ny Sampan-draharaha misahana ny fanapariahana lalàna eo anivon’ny Foibem-pitondrana miandraikitra ny fandinihana sy ny fanavaozana lalàna eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izany ary natrehan’ireo mponina eny an-toerana.
Tanjona ny hampahafantarana ny lalàna manankery sy ireo lalàna vaovao, ny hanapariahana izany amin’ny sehatra isan-tsokajiny, ny anaovana fampielezana eny ifotony ny andinin-dalàna sy ny paikady ara-pitsarana ary ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ho fampahafantarana ny lalàna.
Novoaboasan’ireo mpitsara nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpanatrika ny mikasika ny lalàna mifehy ny fanambadiana, ny lalàna mifehy ny fiankohonana ary ny paikady heloka. Ny Mpiraki-draharaha ihany koa dia namelabelatra mikasika ny anjara asa sahanin’izy ireo eny anivon’ny fitsarana.
Ankoatra ireo dia novaliana ireo fanontaniana napetraky ny olona nanatrika izay mikasika ny ady tany, ny fandovana ary ny paikady ara-pitsarana.
Hitohy hatrany moa izao fidinana ifotony tanterahin’ny Foibem-pitondrana miandraikitra ny fandinihina sy ny fanavaozana ny lalàna izao ka ny Kaominina Ambanivohitra Tsiafahy indray no hisitraka izany amin’ity volana oktobra ity. Marihina fa fiaraha-miasa sy fanohanan’ny tetikasa PAJMA no anaovana izao hetsika izao