Posted in Autres Evenements

Fandriam-pahalemana ao Diana.

📌Zoma faha 15 Febroary , teto Nosy be no natao ny fivoriana misokatra ho an’ny tompon’andraikitra rehetra mikasika ny fandriampahalemana. Nitarika izany ny Praiminisitra NTSAY Christian.

➡️Ankoatry ny fandriampahalemana an-dranomasina sy ny valan’ aretina  » choléra ary ny sida » dia NODINIHANA manokana ny resaka fanolanana sy ny fizahantany mamoafady. Isan’ny nitondra fanazavana mikasika izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay niatrika ny fivoriana.

Posted in Autres Evenements

ATRIKASA FAMPAFANTARANA NY ADIDY SY NY ZON’NY MPIASAM-PANJAKANA ARY NY FOMBA FISITRAHANA IZANY.

📌Nanomboka ny alatsinainy faha 12 febroary 2024, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy dia nampivory ireo mpiasa eto anivon’ny Minisitera sy ny eo anivon’ny Fitsarana isan’ambaratongany ny avy eo amin’ny Fitaleavana misahana ny maha-olona avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana niaraka tamin’ny solon-tena avy ao amin’ny Minisiteran’ny FOP nitondra fampafahatarana sy fanampim-panazavana momba ny zo sy adidin’ny mpiasam-panjakana eo amin’ny asa, ny andraikitra amin’ny fanatsarana ary fikarohana sy ny fanavaozana ny asa sahanina no tena nampafantarina tamin’izany.

⭕Naharitra 3 andro ny atrikasa teto amin’ny Fitsarana Tampony ka ny andro voalohany dia natokana ho an’ireo Lehiben’ny Mpirakidraharaha sy ireo Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ary ny andro faharoa dia ho an’ireo Lehiben’ny Mpirakidraharaha sy ireo Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ary ny namarana azy kosa anio dia ireo mpiasa tsy raikitra rehetra (sous-contrat).

⭐Ny Filoha voalohany sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony no nanokatra ny fotoana sy nitondra toromarika vitsy.

Posted in Autres Evenements

Raharaham-pitsarana.

⚖️RAHARAHAM-PITSARANA : NOHAMAFISINA NY FAHAIZA-MANAO MIKASIKA NY RAHARAHA SIVILY SY ARA-BAROTRA HO AN’NY MPITSARA SY MPIRAKI-DRAHARAHA ETO ANTANANARIVO

📌Ny 6 ka hatramin’ny 9 febroary 2024, dia nisy fiofanana izay nokarakarain’ny Sekoly Nasionalin’ny Mpampiofana Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) tao Tsaralalana. Natao ho an’ny Mpitsara sy Lehiben’ny mpiraki-draharaha ary ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo ity fiofanana ity izay niompana tamin’ny raharaha sivily sy ara-barotra. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara amin’ny fikirakirana sy ny fitantanana ny raharaha amin’ireo sehatra ireo. Anisan’ny lohahevitra nodinihina ihany koa ny ady tany sy ny varotra, ny lalàna momba ny ranomasina, ny andraikitry ny lehiben’ny rejisitra sy ny mpiraki-draharaha eo amin’ny fitsarana, ary ny kaonty rejisitra.

⭕Ny tanjona ankapobeny dia ny fanatsarana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny kalitaon’ny fanapahan-kevitra amin’ny raharaha sivily sy ara-barotra.
Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) ao anatin’ny fandaharan’asa “RINDRA” no nanoana izao fiofanana izao.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo.

⚖️ CASIER JUDICIAIRE : AFAKA MANGATAKA FOTOANA MIALOHA IZAY TSY AFAKA MILAHATRA, AMIN’NY ALALAN’NY « FINDAY » FITONDRA NO HANAOVANA IZANY ARY EFA MISY NY ROHI-PIFANDRAISANA.

🎥 Mitondra fanazavana ny Lehiben’ny Firaketan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Anosy Antananarivo.

Posted in Autres Evenements

Raharaha Mbola RAJAONAH.

⚖️ RAHARAHA MBOLA RAJAONAH: NANDRAY NY FITARAINAN’NY MPISOLOVAVAN’NY VOAPANGA NY TENDROM-PITSARANA MIADY AMIN’NY KOLIKOKY, NANDINIKA SY NAMPITAHA NY ANTOTAN-TARATASY REHETRA NY LEHIBEN’NY FITSARANA ISAN-TOKONY, IZAY VAO NANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA.

🎥 Mitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny PAC, Ramatoa Rasoahanta Elysée.