Posted in Autres Evenements

KOMISIONA MISAHANA NY FANARAHA-MASO NY FAMATSIAM-BOLAN’NY FIAINANA ARA-POLITIKA.

📌 Zoma 01 Martsa 2023, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, notanterahana ny famindram-pahefana teo anivon’ny Vaomiera misahana ny fanaraha-mason’ny famatsiam-bola ho an’ny fiainana ara-politika.

🗓️ Tapitra ny dimy taona, fotoam-piasan’ny teo aloha, ary nandray ny fitantanana ny Mpikambana vaovao.

📈 Nandritra ny famindram-pahefana, namariparitra ny asa vita tao anatin’izany fotoam-piasana izany ny Filoha teo aloha, ary nirary taom-piasana tsara kokoa ho an’ny Mpikambana vaovao.

Posted in Autres Evenements

FANENTANANA NY TANORA HIADY AMIN’NY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA.

📌Nanomboka tamin’ny Alatsinainy faha – 19 Febroary 2024 sekoly maro teto Analamanga no nanaovana fanentanana momban’ny ady atao amin’ny fidorohana sy fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Mitarika izany hetsika izany ny Tale misahana ny Zon’Olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina.

⭕Raha ny fantatra mantsy dia ny Mpianatra eny anivon’ny « Lycée » no tena tafiditra amin’ny fanandramana sy fidorohana zava-mahadomelina, ka ilaina ny hetsika toy izao mba ho fampahafantarana azy ireo ny voka-dratsin’izany eo amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina. Ilaina ihany koa ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny toeram-pampianarana, mba ho famporisihana ny tanora handray anjara amin’ny fanentanana ny namany. Izany rehetra izany dia mikendry ny hanamafisana ny faharetan’ny Mpianatra eny amin’ny « Lycée » manoloana ny faneriterena ara-tsosialy, manampy azy ireo hampivelatra ny fanoherana sy ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana ara-bola Fianarantsoa.

📌Notontosaina ny zoma 16 febroary 2024 ny lanonam-pitsarana manetriketrika nentina nametrahana tamin’ny toerany ny Mpampanoa ara-bola (Commissaire Financier), eto anivon’ny Fitsarana ara-bola (Tribunal Financier) Fianarantsoa, Andriamatoa RASOLONDRAIBE Max Félicial, .

⭐Nanotrona ny fotoana ny fianakaviamben’ny Fitsarana izay notarihin’ny Kaomisera Generalin’ny Tahirim-Bolam-Panjakana ao amin’ny Fitsarana momba ny Kaonty sy ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara.
Nanatrika ny lanonana ihany koa ireo olom-boafidy sy solontenam-panjakana voatendry taty an-toerana.

Posted in Autres Evenements

Fanapariahana lalàna.

📌Zoma 16 febroary 2024, tonga teto amin’ny Kaominina Ampitatafika ny Fitaleavana misahana ny Fanampariahana sy Fandinihana ary Fanavaozana lalàna (DERL) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, nampahafantatra ireo lalàna vaovao sy ireo izay nasiana fanovàna.

➡️Karazana lohahevitra samihafa no nentina, tao ny momba ny:
– Fananantany (karatany, tanim-panjakana)
– Sora-piankohonana (fahaterahana, fananganana, fanjanahana,…)
– Lalàna momba ny fandovàna
– Ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (na ara-panahy na ara-batana, ara-nofo, ara-tsaina, na ara-pihariana).

⭕Tsapa fa mangetaheta fahalalàna ny vahoaka ary liana ny ahafantatra ny tokony atao eo anatrehan’ny Fitsarana.

Posted in Autres Evenements

Fonjaben’Ambositra.

📌Alakamisy 15 febroary 2024, tafatsangana teto Amin’ny Faritra Amoron’i Mania ny  » Plateforme Multi services » MAROLAFY. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Birao mandrafitra azy sy programan’asa ho tanterahana. Nampafantarina nandritra io fotoana io ihany koa fa miara- miasa amin’ny « Consortium MITSINJO » ao anatin’ny fandaharan’asa FANARENANA vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) vola ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Vononana MAROLAFY.

➡️Tanjona ny hametrahana lamina maty paika ho famerenana ny voafonja eny anivon’ny Fiarahamonina, fametrahana asa hiteraka loharanombola ( AGR) eny anivon’ny fonja, fijerena manokana ny mahaolona ary indrindra ny fanofanana arak’asa marosamihafa.

⭐Nanotrona izany fivoriana izany ny tompon’ andraikitra avy ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania na ny olom-boafidy na ny olom-boatendry, ny sampandraharaham- panjakana rehetra notarihin’ireo fiarahamonim-pirenena, fikambanana miisa 45. Tonga nanome voninahitra izany ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny faritra, Sekretera Jeneralin’ny Prefektiora, ny Filohan’ny Delegasionina manokana eo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra Ambositra, ny Tonia Mpampanoa Lalana eto Ambositra ary ny Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja Amoron’i Mania.